Alahady 26 Jolay 2026
Izy (Jesosy Kristy) no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana ; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ny maty, mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy. Kolosiana 1:18
Nasaina hisakafo tao amina mpitarika ara-pivavahana iray Jesosy. Nodinihiny ny fahatongavan’ny olona nasaina, ka hitany izy ireo misafidy ny toerana eny aloha. Dia nasehony azy ireo, tamina fanoharana iray, fa izany fitondrantena izany dia mety hahatonga azy ireo ho menatra sy afa-baraka, mifanohitra amin’izay tadiavin’izy ireo.
Hita ao amin’ny sehatra ara-panahy koa io fihetsika io, ao anatin’ny tontolo ifaneraseran’ny olona. Ho famintinana, dia hoy ny Tompo : „Fa izay rehetra manandra-tena no haetry ; ary izay manetry tena no hasandratra”. Ambaran’izany koa ny toerana horaisintsika manoloana an’Andriamanitra. „Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy”, hoy ny apostoly Jakoba (4:10).
Io teny io dia miantefa amin’ny olona rehetra, anisan’izany ny kristiana. Na ireo mpianatra aza dia „niady hevitra… ny amin’izay lehibe indrindra”. Namaly ny Mpampianatra hoe : „Raha misy te ho voalohany, dia hatao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra izy” (Marka 9:34-35).
Niaina izany fampianarana izany Jesosy, teo anatrehantsika sy ho antsika. „Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” (Marka 10:45). Nietry Izy, nanolotra ny ainy, avy eo nitsangana velona indray, „dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe, any amin’ny avo” (Hebreo 1:3).
Jesosy ve tsy tokony hitana ny toerana voalohany ? eo amin’ny tontolo androntsika, amin’ny laharam-pahamehantsika. Rehefa hifarana ny fiainantsika, ho afaka miteny amintsika ve Izy, toy ny ao amin’io fanoharana io ihany, hoe : „Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa” (Lioka 14:10) ?