Asabotsy 25 Jolay 2026
Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy. Apokalypsy 17:14
Fa Mpanjaka amin’ny tany rehetra Andriamanitra… Andriamanitra manjaka amin’ny firenen-tsamihafa ; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany masina. Salamo 47:7-8
Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe : Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko ? Lioka 6:46
Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra dia antsoina hoe „Mpanjaka”. Nefa karazana mpanjaka toy inona moa Izy ? Mpitondra manao didy jadona ve ? ary tsy mikarakara ny vahoakany.
Ao amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy, ny vahoaka dia manoa ny fahefan’ny mpanjaka, fahefana mety ho boraingona, na lozabe mihitsy aza. Tsy misy olona ho tia hiankina amina mpanjaka toy izany !
Izy io dia mety ho iray amin’ireny mpanjaka amin’ny fanjakan-tokana ao amin’ny antenimiera ankehitriny ireny : mbola mitondra hatrany ny anaram-boninahitra hoe mpanjaka ihany, nefa tsy manapaka samirery intsony. Toy izany koa, afaka milaza tena ho kristiana isika, nefa tsy mitady akory izay hankatoavana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, tsy mamela Azy hifehy ny fontsika sy ireo fihevitsika. Mety mihevitra Ilay Zanak’Andriamanitra ho olona faka tahaka isika, dia izay ihany, ary tsy mihevitra hanao ny sitrapony.
Koa karazana mpanjaka toy inona àry Izy ? Andriamanitra dia Mpanjaka Tsitoha. Izy no nahary izao tontolo rehetra izao sy ny olombelona. Mpanjaka tia ny olony toy ny ray tia ny zanany Izy. Tiany aoka izany izy ireo, ka nirahiny ny Zanany mba hamonjy azy ireo sy hamela ny fahotan’izy ireo. Rehefa hitan’i Tomasy, ilay mpianatra tsy nino tamin’ny voalohany, ny dian’ny fantsika teo amin’ny tanan’i Jesosy nitsangana velona indray, sy ny ratra teo amin’ny lanivoany notsatohana lefona, dia niantso mafy izy hoe : „Tompoko sy Andriamanitro !” Afaka mametraka am-patokiana ny fitondrana ny fiainantsika amina Tompo toy izany isika, Tompo nanolotra ny tenany hamonjy antsika.