Zoma 24 Jolay 2026

Raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka… raha ny oloko … ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. 2 Tantara 7:13-14

 

Ny ranonorana sy ny andro tsara

Nisy mpanao gazety iray nanoratra hoe : „Chine ve afaka manao ny ranonorana sy ny andro tsara ? Izany aloha no ezahin’io firenena io atao any amin’ny faritra maromaro manamorona ny ony Yangtze, any afovoan’ny firenena”. Manoloana ny haintany, dia fiaramanidina maro no „mamafy” rahona mba hanamora ny firotsahan’ny ranonorana.

Mahafehy ny voary ve ny olombelona ? Hoy ny mpaminany iray, niresaka momba ny haintany : „Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ny jentilisa ireny ? … Fa tsy Ianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô ?” (Jeremia 14:22).

Eny, Izy no Ilay Mpahary, Ilay Tompon’izao tontolo rehetra izao. Noporofoiny izany, „fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina” (Asan’ny Apostoly 14:17). Miteny amintsika ihany koa Izy rehefa mamela ny haintany na zava-doza hafa hitranga. Tsy mikapoka tsy akory Andriamanitra mba hanasaziana, fa mba hitodihan’ny fontsika aminy. Nampitandrina ny mpaminany hoe : „… namelezako anareo tamin’ny asan’ny tànanareo rehetra ; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. Masìna ianareo, hevero…” (Hagay 2:17-18). Te hiteny amintsika Andriamanitra, amin’ny alalan’ireny zava-mitranga ireny. Avelany hitranga ireny, mba hitadiavantsika ny sitrapony. Aza manandrana mandositra izany isika, fa ndao hahita izany amin’ny famakiana ny Baiboly sy amin’ny fivavahana am-panetrentena. Izany no atao hoe „mitady ny tavany” (Soratra Masina androany), ny fanatrehany, manaiky hohazavaina ao anaty amin’ny Teniny. Dia ho hitantsika izay tokony „hiverenantsika”, ao amin’ny fihevitsika, ny fihetsika, teny, fitondrantena. Manara-maso akaiky io asa anaty io ny Andriamanitsika : mihaino Izy, mamela heloka, ary manasitrana.