Alakamisy 23 Jolay 2026

Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy ! Ohabolana 15:23

Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy. Ohabolana 15:1

 

Teny atao amin’ny fotoanany

Tsara vakina : 1 Samoela 25

Tantara mahafinaritra ny an’i Abigaila, izay niaina tamin’ny andron’ny mpanjaka Davida ! Nabala vadiny dia lehilahy mafy fo sy masiaka, nanana toetra sarotra iainana. Lehilahy tsy mora niaraha-niaina. Abigaila kosa dia vehivavy hendry, matsilo saina.

Tamin’ny fotoana nitrangan’ity tantara ity dia mbola tsy mpanjaka i Davida. Niaraka tamin’ny andian’olona nomba azy tany an-taniefitra izy ; niantoka ny fiarovana ny andian’ondrin’i Nabala mpanankarena izy, ary rehefa henon’i Davida ny fahatongavany hanety ny ondriny, dia nangatahin’i Davida izy mba hanome hanina ho an’ny olony. Tsy nieritreritra i Nabala, tsy nampiseho fankasitrahana an’i Davida naneho hatsaram-po tamin’ireo mpiandry ondriny, ka nandà ny fangatahany sy naniratsira azy. Voatsindrona mafy tao am-pony i Davida, ka nanapa-kevitra hamaly faty. Rehefa nanatona niaraka tamin’ny olony nirongo fiadiana izy, dia nampandrenesina i Abigaila. Nanomana hanina haingana izy, hatao vatsy ho an’i Davida sy ny olony, ary nandeha nitsena azy ireo tam-pinoana sy fahavononana. Na teo aza ny loza miharihary nananontanona azy, dia sahy izy niresaka tamin’i Davida, nilaza teny feno fahendrena nahakasika ny fieritreretany sy nanakana ny fikasany hanafay. Hoy i Davida : „Hotahiny (Hotahin’i Jehovah) anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra ary tsy hamaly ho an’ny tenako” (1 Samoela 25:33).

Ndao hangataka an’Andriamanitra hanampy antsika ho mahira-tsaina sy hendry, ao anatin’ny toejavatra sarotra, hahay hamantatra izay tokony hotenenintsika sy ny fomba itenenantsika izany, mba hahakasika ny fon’ireo manodidina antsika, na hampitony fifamaliana. „Sambatra ny mpampihavana” (Matio 5:9).