Alarobia 22 Jolay 2026
Fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17
Tamin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra … fahasoavana anampy fahasoavana. Jaona 1:16
Angamba isika efa samy nandray fanomezana avy tamin’olona iray akaiky antsika, na ny fianakaviana, na namana tena sarobidy amintsika. Mety tsy mendrika handray ilay fanomezana angamba isika. Toy izany koa, ny fahasoavan’Andriamanitra dia fanomezana, fanomezana tsy mendrika horaisina, tombontsoa manokana manaitra antsika.
Andriamanitra dia namela „ny fahadisoantsika rehetra” (Kolosiana 2:13). Ny mpino, izay nandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny, dia manana antoka fa mahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, tamin’ny fahadisoana rehetra nataony. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia tonga mba hiatrika izay rehetra fangozohozontsika sy tsy finoantsika. Mampitraka antsika io fahasoavana io, mampahery antsika. Midika ve izany fa mahazo manota isika, satria Andriamanitra dia feno fahasoavana ? Sanatria ! Ho faniratsirana an’Andriamanitra izany, ary hanova toetra sy hampivaona ny fijery ny atao hoe fahasoavana (Romana 6:1 ; Joda 4).
Ny fahasoavana dia zavatra tsy nampoizina ihany koa, satria mampahafantatra ny tenany Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika : amin’ny fanatrehany, ny fiarovany, ny torolalana hendry omeny, sy amina fitahiana maro samihafa. Ary ambonin’izany, Izy dia „nitahy antsika tao amin’i Kristy, amin’ny fitahiam-panahy rehetra” (Efesiana 1:3).
Raha mahatsapa io fahasoavana io isika, dia taominy ho masina fiaina, hanokan-tena ho an’Andriamanitra. Nefa io fahasoavana io dia harena tsy hazonina ho an’ny tena samirery koa, fa miseho amina asa fahalalahan-tanana, fanampiana, famelan-keloka. Manaitra ihany koa an’ireo mifanerasera amintsika izany, manohina azy ireo, ary angamba hitaona azy ireo handray ny Filazantsara.
Hoy ny apostoly Paoly : „Tsy foana ny fahasoavany ato amiko” (1 Korintiana 15:10). Hoy Jesosy : „Efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana” (Matio 10:8).