Talata 21 Jolay 2026
Miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo. 2 Tantara 30:9
Dieny fahakeliny i Jean dia efa sarotra niaraha-miaina, ary nampitondra fahoriana be ny ray aman-dreniny. Tatỳ aoriana dia mbola niharatsy kokoa ny nataony, hany ka voafonja imbetsaka izy. Isaky ny miseho izany, dia nanefa hatrany ny fahavoazana ny rainy, ary nandray ilay zanany rehefa niverina any an-trano izy. Taorianan’ny nahafatesan’ny ray aman-dreniny i Jean dia nieritreritra hanana anjara lova amin’ny harenan’izy ireo, ka namonjy ny fotoam-panokafana ny didim-pananana nataon’ny rainy.
Vao teo am-panombohana ny famakiana izany dia indreo notanisaina ny zava-dratsy nataon’ilay zanaka. Nitsangana i Jean ary nandeha, nanakaratoka ny varavarana. Nanohy ny famakiany ny didim-pananana ny mpiraki-draharaha : „Na izany aza, dia zanako izy ary tiako. Noho izany, na tsy mendrika hahazo na inona na inona aza izy, dia atolotro azy izay rehetra ananako, nefa misy fepetra tokana apetrako : tsy maintsy manatrika ny famakiana ny fara hafatro izy. Raha mbola eo izy rehefa voavaky ny hafatro, dia handova ny fananako rehetra.”
Araka izany dia verin’i Jean avokoa izay rehetra nantenainy. Very avokoa izany, tsy noho ny fitondrantenany ratsy, fa satria izy nandà tsy hahare ny marina.
Mandraka ankehitriny isika rehetra dia teraka mpanota avokoa, ary tsy mendrika an’Andriamanitra ny fiainantsika. Nefa ho an’ireo izay manaiky izany, Andriamanitra dia manolotra ny famelan-keloka avy aminy. Tia antsika Izy, nefa manana ny fepetrany koa : „Izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay” (Jaona 6:40). Ny hoe mijery ny Zanaka dia hoe miaiky ny maha Zanak’Andriamanitra an’i Jesosy Kristy, maty sy nitsangana velona indray mba hanome antsika ny fiainana mandrakizay.