Alatsinainy 20 Jolay 2026

Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany (eo anatrehan’Andriamanitra) : Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy ; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy. 1 Jaona 5:14-15

 

Mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra

Ny teny tanisaina etsy ambony dia manome fampanantenana ho an’ireo izay mivavaka. Nefa isika tsy mahazo mandrakariva ny valim-bavaka andrasantsika ; nahoana moa ? Mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ve ny vavaka ataontsika ? Ahoana no hahafantarantsika io sitrapony io ?

Ny fihevitr’Andriamanitra dia ambarany antsika amin’ny famakiana tsara ny Baiboly, izay Teniny, amin’ny vavaka, ary amin’ny Fanahiny ; ireo no mamolavola ny fihevitry ny mpino. Nefa ve aho vonona hampanaiky ny sitrapoko amin’ny sitrapony ? Tsy azo ialana io fihetsika ara-toe-panahy io, mba hahafantarana ny sitrapony, ary amin’izay ireo fangatahako dia hifanaraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra.

Koa ilaina izany ny fihetsika feno fatokiana. Arakaraka ny hahafantarantsika an’Andriamanitsika amin’ny alalan’ny Teniny no hahatakarantsika ny sitrapony. Arakaraka ny haneken’ny sitrapontsika ny sitrapony no hahafaly antsika amin’ny valim-bavaka omeny.

Matetika loatra isika no mangataka amin’ny Tompo mba hampahomby ireo fikasantsika araka izay niheverantsika azy ireo, fa tsy mametraka aminy ny zavatra am-pahatsorana sy am-patokiana. Ny vavaka nampianariny ny mpianany dia misy ny teny hoe : „Hatao anie ny sitraponao”. Jesosy tenany mihitsy dia nangataka tamin’ny Rainy momba ireo fijaliana tsy maintsy hiaretany teo amin’ny hazofijaliana, hoe : „Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao” (Matio 26:42). Ilay Raintsika any an-danitra dia mampiara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa antsika. Izy no ambony indrindra, ary ny fahendreny dia mihoatra noho ny fahatakarantsika. Ndao hatoky Azy sy hiantehitra amin’ny fahendreny sy ny fitiavany.