Alahady 19 Jolay 2026
(Hoy Petera tamin’i Jesosy :) Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona… (Hoy Jesosy tamin’i Petera :) Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako. Matio 16:16-18
Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho. Matio 18:20
Ao amin’ny fitantarany, Matio dia manoritsoritra ny fiainan’ny Tompo Jesosy : ny toejava-nitranga momba ny fahaterahany, ny asany, ireo lahateniny, toy ny toriteny teo an-tendrombohitra (toko faha-5 hatramin’ny faha-7), na koa ireo fanoharana momba ny fanjakan’ny lanitra (toko faha-13). Soritsoritan’i Matio koa ny fijalian’ny Kristy, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany velona indray. Ny namaranany ny fitantarany dia ilay fotoana nanirahan’ny Tompo ny apostoliny, hitory ny Filazantsara hatraiza hatraiza : „Mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” (28:19). Ny filazantsara nosoratan’i Matio dia mifarana amina fampanantenana tena sarobidy amintsika, hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (28:20).
Mirafitra mazava tsara ity filazantsara ity. Hatreo amin’ny toko faha-12, Matio dia mampiseho an’i Jesosy ho Ilay Mpanjakan’ny Israely. Mifarana io ampahany voalohany io rehefa nanilika Azy ireo mpitondra ny Israely. Manomboka eo amin’ny toko faha-13 dia tsy ny vahoakany fotsiny intsony no iresahan’io mpanjaka nolavina io, fa ireo firenena tsy jiosy koa.
Aoriny koa ny Fiangonany. Eto Izy no voalohany miresaka ny Fiangonana, voarafitr’ireo rehetra mino Azy, na Jiosy na hafa firenena. Miorina eo amin’i Jesosy tenany mihitsy, Izy Ilay Vatolampy, ny Fiangonany. Hoy Jesosy : „ny fiangonako”. Azy ny Fiangonana, satria azony tamin’ny alalan’ny fahafatesany. Ankehitriny Izy dia miaro azy am-pitiavana, ary hitondra azy handry feizay ao an-tranon’ny Rainy (Jaona 14:2), trano nalehany mba hanomanany toerana ho antsika. Endre ny hamamin’ny fahafantarana fa anisan’io fiangonana io avokoa ny mpino rehetra !
(tapitra)