Asabotsy 18 Jolay 2026

Hiteraka Zazalahy izy (Maria), ary ny anarany hataonao hoe JESOSY ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany. Matio 1:21

Ity no Zanako malalako, Izay sitrako. Matio 3:17

 

Fanoroana fohy ny filazantsara nosoratan’i Matio (1)

Mizara roa ny Baiboly : ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny fizarana faharoa dia manomboka amin’ireo „filazantsara” efatra : io teny io dia midika hoe „vaovao mahafaly”. Ny tantaraina ao mantsy dia ny fiainan’i Jesosy Kristy, tonga tetỳ an-tany mba hanambara amintsika hoe afaka ho voavela ireo rehetra fahadisoantsika. Izany tantara izany dia miafara amin’ny fahafatesan’Ilay Zanak’Andriamanitra : mba hahazoantsika io famelan-keloka io Izy dia nandray ny fahotantsika teo amin’ny tenany, ary voasazy nisolo toerana antsika. Farany Izy dia nitsangana velona indray. Izany no hafatra voarakitra ao anatin’ireo lahatsoratra ireo. Hafatra tokana, mpitondra hafatra efatra : Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.

Ny fitantaran’i Matio no voalohany. Io tantara io dia fiampitana miainga amin’ny Testamenta Taloha, mitantara amintsika ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoaka hebreo, talohan’ny hahatongavan’ny Kristy. Tanisain’i Matio imbetsaka rahateo ny Testamenta Taloha. Ny tanjony dia ny hampiseho fa efa nambara tao amin’ireo faminaniana, taloha lavitra ny hahaterahan’ny Tompo Jesosy, ireo toejava-nitranga mifamatotra amin’ny fiaviany. Vao miandoha io boky io, Jesosy Kristy dia aseho ho taranaky ny mpanjaka Davida, ary koa taranaky ny razambe Abrahama. Izy no Ilay Mesia, Ilay Mpanjaka araka ny lalànan’ny Israely, ary ao aminy no hahatanteraka ny fampanantenana rehetra ao amin’ny ny Testamenta Taloha. Matio rahateo dia nanoritsoritra ny zava-nitranga momba ny nahaterahan’i Jesosy, nitanisa ny tenin’ny mpaminany Isaia hoe : „Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany, hoe : Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy” (Matio 1:22-23 ; Isaia 7:14). Jesosy, Ilay Mpamonjy, io Zazalahy nambara mialoha io.

(hitohy)