Zoma 17 Jolay 2026
Raha sitrak’i Jehovah ny alehan’ny olona, na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy. Ohabolana 16:7
Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay ; fa niasa andro aman’alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran’Andriamanitra taminareo. 1 Tesaloniana 2:9
Efa madiva ho alina ny andro. Nidina ny soavaliny i David Brainerd, ary nitsotra teo amin’ny tany mba hatory. Talohan’ny natoriany dia nivavaka tamin’ny Tompo izy. Tsy fantany fa nisy Amerindianina (Indiana —antsointsika hoe Karàna- teratany any Amerika) niafina tao ambadika hazo, nikasa hamono azy. Nefa lasa eritreritra izy ireto, nahare ity „hatsatra tava” (fiantsoan’izy ireo ny olona fotsy hoditra) nitalaho tamin’ny Andriamaniny, ka rehefa avy nihaino azy nivavaka tamin’ny feo mahery dia lasa nandeha, tsy naninon-tsy naninona azy. Talanjona izy ireo nahare an’i Brainerd nangataka tamin’Andriamanitra hamonjy ny fanahin’ny Indiana. Ny ampitso izy dia tonga tao amina tanàna kely indiana iray. Nitory ny Filazantsara izy, ary nitomany ny sasantsasany nihaino azy.
Ho valin’ny vavaka nataon’i Brainerd tamin’Andriamanitra, dia navelan’izy ireo hatory tao aminy izy, taloha sy taorianan’ny fivoriana fitoriana Filazantsara rehetra. Nangoram-po aoka izany izy nitory, ka nigaga fatratra ireo izay mihaino azy. Nandeha an-tsoavaly nitety tanàna i Brainerd, nitalaho tamin’ny Tompo mba hameno azy amin’ny heriny, hahafahany mitory ny Filazantsara. Indraindray dia nisy foko maro iray manontolo mihitsy nahafoy ny fanompoana hery miafina, rehefa avy nihaino azy nanazava teny ao amin’ny Baiboly.
Hoy izy nanoratra tao amin’ny diariny, tamin’ny datin’ny 3 novambra 1743 : „Vao avy nanokana ny tontolo andro hivavahana sy hifadian-kanina aho, nanomboka tamin’ny maraina mandra-pahariva ny andro”. Ny nataony tao amin’ny fiainany manokana, irery niaraka tamin’Ilay Andriamaniny, dia ahatakarana ny afaka notanterahiny ampahibemaso, manoloana ireo Indiana. Matin’ny raboka i David Brainerd rehefa 29 taona, tamin’ny taona 1747, taorianan’ny efa-taona nanolorany tena tanteraka nitoriany ny Filazantsara tamin’ny Indiana. Rehefa ho tapitra ny fiainany dia nanoratra tamin’ny rahalahiny izy hoe : „Fantatro ankehitriny fa tsy ho ela aho dia ho faty, lazaiko anao izany. Na inona na inona teto an-tany, dia tsy ho natakaloko izay niainako.”