Alakamisy 16 Jolay 2026

Ny fon’ny hendry dia mahalala fotoana. Mpitoriteny 8:5

Fa izao no andro hitadiavana an’i Jehovah. Hosea 10:12

Izao no lazain’i Jehovah : … hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho. Jeremia 29:10, 13

 

Mpanompo tsara : ny fotoana

Ny fotoana lalovan’ny tsirairay amintsika eto an-tany dia manana lanja tsy azontsika veroka akory. Nefa dia rentsika ny fiteny hoe : „Tsy maintsy laniana ny fotoana” ! Fa nahoana moa no handanilany foana io mpanompo tsy mitady afa-tsy ny hiasa ho antsika io, raha haintsika tsara ny mampiasa azy ? Omen’Andriamanitra antsika ny fotoana, tsy hoe mba hampiasaina tsy dia ratsy loatra, fa mba hanomanana ny mandrakizay.

Ary indrindra, aza mihevitra isika fa hiasa tsy misy antsika ny fotoana. Tsy manao na inona na inona irery izy. Tsy manao afa-tsy ny mikoriana mangina izy. Na oviana na oviana ny fotoana dia tsy namorona voam-bary na zavatra hafa. Mba hijinjana, dia tsy maintsy mandatsaka voa ao anatin’ny tany aloha, voa hampitsirian’ny fotoana, hampitomboiny, ary hampamasahiny.

Ahoana kosa ny amin’ny mpino ? Hoy Jesosy : „Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47). Marina izany dieny anio, ho an’izay mino. Io fiainana vaovao io, dieny etỳ an-tany, dia ahafahantsika mitombo, mandritra ny fotoana mikoriana, amin’ny „fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy” (2 Petera 3:18).

Manimba miandalana izao tontolo manodidina antsika izao ny fotoana mikoriana, fa ny finoantsika kosa dia mihamatanjaka, eo am-piandrasana ny fiavian’ny Kristy. Ny tanjon’ny fiainantsika dia ny ho eo anilany mandrakizay. Amin’izay dia hanjavona tsy hisy intsony ny fotoana mikoriana.

Koa aza lanilaniantsika foana ny fotoana omen’Andriamanitra antsika. Aza avelantsika hidify koa ny fotoana. Aza laniana amina fialamboly tsy misy fotony. Fotoana tandrify hitadiavana an’Andriamanitra, hahitana Azy amin’ny finoana, ary hanompoana Azy avy eo.