Alarobia 15 Jolay 2026

(Hoy Jesosy :) Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy, dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay. Jaona 4:14

Aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. Apokalypsy 22:17

 

Ny rano, kisarisarin’ny aina

Tsara vakina : Jaona 4:5-30

Ny Baiboly dia miresaka loharano, miresaka rano „velona” mikoriana sy mitondra aina. Tany an-taniefitra, taorianan’ny fivoahana avy tany Egypta, i Mosesy dia nikapoka vatolampy iray mba hampiboiboika rano avy ao sy hamonjy vahoaka matin’ny hetaheta (Eksodosy 17:3-6). Kisarisarin’ny Kristy io vatolampy io (1 Korintiana 10:4). „Nokapohin’Andriamanitra” teo amin’ny hazofijaliana Izy, noho ireo fahadisoan’ny olombelona, ka nanome fiainana mandrakizay ho azy ireo.

Andriamanitra dia manondro ny tenany ho ny „loharanon’aina”, ary malahelo mafy satria vitan’ny olona ny mahafoy Azy mba hitady, ankoatra Azy, izay hanala ny hetahetany mikatsaka fiainana, fahasambarana, fiadanana (Jeremia 2:13).

Taomin’ireo lahatsoratra ireo isika hahatakatra fa Andriamanitra dia naniraka an’i Jesosy mba hampitony ny hetaheta anaty ao amin’ny olombelona. Manome antsika sary mahafinaritra maneho izany ny Filazantsara araka an’i Jaona (tantara tsara vakina tondroina etsy ambony). Teo amorona fantsakana iray ny Tompo dia nifanena tamina vehivavy tsy afa-po tamin’ny fiainana, nandositra ny manodidina azy. Ninia niandry azy Jesosy, tao anaty hafanana ben’ny mitataovovonana… Nangataka rano hosotroina taminy aloha Izy, avy eo niresaka momba ny „fanomezan’Andriamanitra” ; dia Izy indray no nanome azy rano hosotroina. Nefa tsy rano ara-nofo no atolony, fa kisarisarin’ny fahasoavana mitondra fiainana mandrakizay ! Tohina fatratra tamin’izany ravehivavy ! Takany fa io Lehilahy io dia Ilay irak’Andriamanitra, mahafantatra ny momba azy manontolo, ary mahay mampitony ny hetahetam-pahasambarany sy mampisy dikany indray ny fiainany. Teo no ho eo ihany izy dia nandao ny fantsakana, nankany amin’ireo mpiara-monina aminy, ary niresaka tamin’izy ireo ny fihaonana mahatalanjona tojo azy vao teo.

Ianao koa, misotroa amin’io „rano velona” io, manatòna an’i Jesosy !