Talata 14 Jolay 2026
Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy ; ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny… ary Jehovah no hamaly soa anao. Ohabolana 25:21-22
(Hoy Jesosy :) Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo. Matio 5:44
Ilay mpitoriteny sinoa Watchman Nee (1903-1972) dia tena narisika nanampy ireo kristiana nivory miafina, tany amin’ny Repoblikan’i Chine entim-bahoaka. Ny 20 taona farany niainany izy dia nigadra tany amina tobim-piasana an-terivozona, satria nino an’i Kristy. Izao no tantarainy ao amin’ny iray amin’ireo bokiny :
Nisy kristiana iray tany atsimon’i Chine, nanana tanimbary teny an-tehezan-tendrombohitra. Mandritra ny main-tany izy dia voatery misintona rano avy eo amin’ny lakandrano fanondrahana, ka sahirana mafy vao mahatondra izany any an-tanimbariny. Teo ambanin’ny azy dia nisy tanimbary roa ana mpiara-monina aminy. Indray alina io mpiara-monina io dia nandoaka ny rindrina fampisarahana, mba hampikoriana ny rano ho ao an-tanimbariny. Nanentsina io rindrina io ilay kristiana, ary namerina nisintona rano, nefa dia mbola naverin’ilay mpiara-monina intelo na inefatra ihany ny haratsian-toetrany.
Avy eo ilay kristiana dia niady hevitra tamin’ny namany. „Niezaka naharitra nandefitra aho, tsy namaly, hoy izy, nefa rariny ve izany ?”
Rehefa avy niara-nivavaka momba izany izy ireo, dia hoy ny iray taminy : „Raha miezaka mandrakariva hanao ny rariny fotsiny isika, dia kristiana mahantra kely. Tokony hanao mihoatra noho ny rariny isika.” Ny ampitso maraina dia nisintona rano ho an’ireo tanimbary roa teo ambany ilay kristiana, ary ny tolakandro izy no nameno rano ny tanimbariny. Gaga be tamin’io fihetsika io ilay mpiara-monina, ka nitady hahalala ny anton’izany. Ary satria voakasika ny fieritreretany, dia nahita ny Kristy koa izy, nony farany.