Alatsinainy 13 Jolay 2026
Tompo ô… lehibe Ianao ka manao zava-mahagaga ; Ianao irery ihany no Andriamanitra. Salamo 86:9-10
Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ny Tompo ? Fitomaniana 3:37
Samsona dia lehilahy mahery fo nanana herim-batana mihoatra noho ny herin’olombelona, ka nampangorohoro ny Filistina, nefa lavo teo am-pelatanan’izy ireo (vakio Mpitsara 16). Anisan’ny vahoaka Israely izy, ary ny Filistina dia fahavalon’izy ireo sy tsy azo nivalozana. Koa nifaly ny Filistina rehefa resy i Samsona, ary tsy nisalasala nihevitra izany ho avy amin’i Dagona andriamanitr’izy ireo, sarivongana namboariny.
Raha ny marina dia Andriamanitra, Ilay hany Andriamanitra tena Izy, no nandidy io faharesena io. Nifamatotra tamina vehivavy Filistina iray i Samsona, na dia nandrara izany mazava tsara aza ny didin’Andriamanitra. Navelan’Andriamanitra hizaka ny vokatry ny safidiny izy, navelany hogadrain’ny Filistina, avy eo nomeny ny fandresena farany tamin’ireo fahavalony ireo.
Olona maro no manao toy ny Filistina : rehefa afaka tamina toejavatra sarotra izy ireo dia mihevitra hoe : nanafaka antsika „ny andriamanitsika” ! „Ny andriamanitsika” dia mety ho ny andriamanitra „vintana”, ho an’izay saika tra-doza… Tsy ny andriamanitra „siansa” ve no nantsoina, nanoloana ny valanaretina Covid-19 ? Fantatra ihany koa ny andriamanitra „vola”, „fahiratan-tsaina”, sns.
Rehefa manilika Ilay hany tena Andriamanitra, Izay naneho ny tenany tao amin’i Jesosy Kristy, dia manolo Azy amina „andriamanitra” hafa isan-karazany, izay heverina ho mahafehy ny zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika. Antony tsy dia manan-danja firy no lazaina fa niavian’izay, raha ny marina anefa, nodidin’Andriamanitra hisy, nodidin’Ilay Andriamanitra mifehy lalandava ny zava-drehetra. Andriamanitra dia manerana ny toerana rehetra, mahalala ny zavatra rehetra, mahefa ny zavatra rehetra. Manatòna Azy, Izy irery no mahay manafaka anao amin’ireo fahotanao sy manome anao fiainana mandrakizay !