Alahady 12 Jolay 2026

Izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao … : Malala eo imasoko ianao… sady tiako. Isaia 43:1, 4

Tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala… fa ny ra soan’i Kristy. 1 Petera 1:18-19

 

Manan-danja ve ianao ?

Hatrizay hatrizay, taloha lavitra ny nahariana izao tontolo rehetra izao, Andriamanitra dia efa nanana fifandraisana lavorary tamin’ny Zanany Lahitokana. Tokony ho 2000 taona lasa izay dia nirahiny Jesosy Zanany mba ho eo anivon’ny olona. Dieny vao teraka Jesosy dia efa niatrika ny haratsian’ny olombelona : nitady hamono Azy i Heroda mpanjaka ; voatery nandositra tany Egypta niaraka tamin’i Jesosy ireo ray aman-dreniny.

Rehefa lehibe Jesosy dia nenjehin’ny antoko mpitarika, satria nilaza ny tenany ho Zanak’Andriamanitra. Nokarakarainy koa ireo izay nailiky ny fiarahamonina, dia ireo mahantra sy ireo sahirana. Tonga Izy mba hanafaka ny olombelona rehetra amin’ny toetra maha mpanota mahantra azy ireo. Nietry ho eo amin’ireo olona madinika indrindra Izy.

Rehefa 33 taona Izy dia nanaiky hosamborina sy hotsaraina, nefa tsy nohajaina akory ny lalàna romana. Nohelohina ho faty Izy, tsy nisy porofo, ary tsy mba niaro tena hoe tsy manan-tsiny. Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, na dia ho hainy natao aza ny nanafaka ny tenany, noho ny heriny. Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia tsy mba namaly ny fihantsiana nataon’ireo mpaneso, na ny teny masiakan’ireo niara-voahombo taminy. Nifanohitra tamin’izany aza, fa nitsangana Izy hisolo vava ireo mpampijaly Azy, nivavaka ho azy ireo hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34). Rehefa niaiky ny maha meloka azy ilay jiolahy iray voahombo teo anilany, dia nampanantena azy Jesosy hoe : „Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (and 43).

Nomen’Andriamanitra ny sarobidy indrindra taminy, dia ny Zanany Lahitokana, „mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Izany no lanjantsika, eo imason’Andriamanitra !