Asabotsy 11 Jolay 2026

Izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana. 1 Korintiana 1:23

(Hoy Jesosy :) Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. Izany no nolazainy, hanambara izay fahafatesana efa hiaretany. Jaona 12:32-33

 

Ny hazofijaliana eny an-tampon-tendrombohitra

Tampon-tendrombohitra maro no nomarihina tamina hazofijaliana. Na natao tamina hazo tsotra izy ireny na tamina vy marevaka, dia manambara lova kristiana, ary indraindray aza, natsangana mba hanamaritana sisin-tany na fananana, na koa hahatsiarovana olona maty.

Ireny hazofijaliana eny an-tampon-tendrombohitra ireny ve tsy mampahatsiaro ilay hazofijaliana nijalian’i Jesosy 2000 taona lasa izay ? ka manindrona fo mandraka ankehitriny. Io toeram-pampijaliana io no ilay toerana manafaka, ihaonan’ny olona mpanota amin’Ilay Andriamanitra marina sy masina. Io toerana io no tampon’ny fitiavana, tampon’ny fitiavan’ny Tompo Jesosy nanolotra manontolo ny tenany mba hanavotany olombelona nikomy tamin’Ilay Mpahary azy ! Io no teboka fiaingan’ny lalana mankany an-danitra.

Ao amin’ny Baiboly, ny tendrombohitra dia matetika maneho toerana manokana ihaonana amin’Andriamanitra, mitaona hanandratra ny fanahy ho any an-danitra. „Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho, avy aiza ny famonjena ahy ? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany” (Salamo 121:1-2). Jesosy tenany mihitsy dia matetika niakatra teny amina toerana avo, mba hivavaka amin’ny Rainy ; ary teny amina tendrombohitra iray koa Izy no niova tarehy sy hita tao amin’ny fiandrianany (Lioka 9:28-29).

Rehefa mijery hazofijaliana isika, ny andry mitsangana dia mampahatsiaro ilay fifamatorana voapetraka manomboka izao eo amin’Andriamanitra sy izay olona mino an’i Jesosy Kristy. Ny andry mitsivalana dia mampahatsiaro Ilay Zanak’Andriamanitra mamelatra ny sandriny, mba hitaona ny olona rehetra hanatona Azy sy mba hanangona azy ireo.

Ianao ve te hamaly ny fanasan’Ilay voahombo teo amin’ny hazofijaliana ?