Zoma 10 Jolay 2026

Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. Deoteronomia 6:5

Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha. 1 Jaona 4:19

 

Tsy maintsy mitia ahy ianao

Alaivo sary an-tsaina anie, ray miteny amin’ny zanany lahy hoe : „Tiako hilaza amiko isanandro ianao hoe tia ahy. Raha tsy manao izany ianao dia hosaziko.”

Ahoana no hananana ray fisainana toy izany ? Raha mamerimberina aminy ny zanany hoe tia azy, mba tsy ho voasazy, ahoana no hahafantaran’io ray io fa tena amin’ny fony tokoa no itenenan’ny zanany ? Nefa ho hafa tanteraka, raha toa ny zanako milaza amiko an-tsitrapo, tsy misy olona manery azy, ny fitiavany ahy. Raha miteny amiko izy fa tia ahy, na tsara kokoa noho izany, raha maneho ny fitiavany amin’ny fitondrantenany, dia izany no ho valiny amin’ny nahim-pony, araka ny maha zanaka azy.

Ny lalànan’i Mosesy dia nandidy ny olona ho tia an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo. Marina izany, saingy tsy nahatanteraka izany ny olona, tsy afaka nankatò io lalàna io.

Noporofoin’Andriamanitra ny fitiavany antsika, tamin’ny nanomezany ny Zanany. Ho an’ireo izay mandray Azy amin’ny finoana, dia misy fiovana lehibe mitranga. Ataon’Andriamanitra manjary zanany izy ireo, ary arotsany ao am-pon’izy ireo ny fitiavany. Amin’izany izy ireo dia omeny toetra afaka mitia Azy. Tonga ho azy io fitiavana io, ary tsy inona fa valin’ny fitiavany fotsiny ihany.

Ry kristiana, ianao angamba miezaka mitia an’Andriamanitra, ary mahatsapa fa toa tsy ampy ny fitiavanao Azy. Vakio ny nosoratan’i Jaona, „ilay mpianatra tian’i Jesosy”, hoe : „Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha” (andinin-tSoratra Masina tanisaina etsy ambony). Tsy hampitombo ny fitiavanao an’Andriamanitra ny fiheveranao hoe kely loatra ny fitiavanao. Fa ny misaintsaina ny fitiavany lehibe anao kosa dia hamelona afo ao anatinao sy hitondra valim-pitiavana. Rehefa mangatsiaka ary mila hafanaina, dia tokony hitanina andro !