Alakamisy 9 Jolay 2026
Izay manafina ny fahotany, tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo. Ohabolana 28:13
Ny mpanoratra ny andalan-teny etsy ambany dia nohelohina satria nanao teny sy fihetsika nahery setra. Niekeny ireo fahadisoany ireo, ary nangatahany famelana. Mino an’Andriamanitra izy, ary nahazo antoka fa navelan’Andriamanitra ireo satria niekeny an-kitsimpo, nefa mbola tsapany hatrany ny vesatr’ireo ; ary mbola namesatra ny sainy koa ny naha irery azy.
„Nihodinkodina tao an-tokotany fitsangantsanganana aho, nanganohano ny masoko, no nitsatoka tampoka teo amina taratasy tonta iray ny tongotro. Angamba io natsipy avy teny am-baravarankely-na efitranon’ny fonja. Fantatro avy hatrany izy io hoe takelaka tao amin’ny alimanaka ara-Baiboly „Ilay Voa Tsara Nafafy” ! Noraisiko haingana ilay izy ary novakiko : 11 jolay 1997, misy ny andinin-tSoratra Masina hoe : „Sambatra izay voavela ny helony… Sambatra izay olona tsy isain’i Jehovah heloka” (Romana 4:7-8).
Tena nahatonga fanairana tao am-poko io famantarana avy amin’Andriamanitra io. Nilaiko izany. Nahazo porofo fanampiny aho fa eo anilan’Andriamanitra… ary fihininy akaiky.”
„Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika” (1 Jaona 1:9). Ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra dia feno ary tsy iverenany intsony, satria Jesosy efa nitondra ho antsika ny sazin’izany, teo amin’ny hazofijaliana.
Io takela-taratasy nanidina io dia porofo koa fa tsy nanadino azy Andriamanitra. „Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy… ? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatànako ianao” (Isaia 49:15-16).