Alarobia 8 Jolay 2026

Ary hoy Izy (Jesosy) : Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao. Marka 14:36

Satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe : Aba, Ray ô. Galatiana 4:6

Ianareo… nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô. Romana 8:15

 

Aba, jereo aho !

Nitsangantsangana tao amina toeram-pilalaovana lehibe iray an-kalamanjana izahay. Nisy faritra natokana ho ana fiarakodia kely ahofa tao, ka faly namily azy ireo ny ankizy. Nahare tampoka ankizy niantso mafy aho hoe : „Aba, Aba, jereo !” Io zazalahy kely jiosy io dia niantso ny rainy higaga aminy. „Aba” no nolazainy, toy ny hilazan’ankizy hafa hoe „Dada”. Mandeha ho azy taminy io teny io, ampiasainy eo amin’ny fiainany andavanandro.

Nanohina ahy ny zavatra reko vao teo, satria nampitodika ny eritreritro tany amin’ny Baiboly sy ireo fanambarana mahatalanjona raketiny. Ambaran’ny Baiboly ahy fa nanjary zanak’Andriamanitra aho, satria nino an’i Jesosy. Nirahin’Andriamanitra ho ao anatin’ny foko ny Fanahin’ny Zanany. Hoy Jesosy tamin’ny Rainy : „Aba, Ray ô”. Noho io Fanahy io ihany, ny „Fanahin’ny zanaka natsangana”, izaho koa dia manana zo hampiasa io teny mamy ao am-po lalina io.

Raha tsy nosoratana ireo teny ireo, iza no ho sahy naminavina azy ? Hamarinin’ireo teny ireo fa manomboka hatreo, Andriamanitra dia mitondra ireo olona mpanota ireo, izay mankahala Azy, toy ny fitondrany ny zanany manokana. Toy ny andraisany ny Zanany mihitsy no andraisany azy ireo.

Io firaisam-po mamy io dia tsy manafoana velively ny fanajana tokony ho an’Andriamanitra, Izay nahary antsika, olona tena bitika eo anatrehany. Jesosy tenany mihitsy dia niresaka tamin’ny Rainy tamina teny feno fanajana hoe : „Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany” (Matio 11:25). Nefa fifaliana toy inona moa ny hoe natsangana ho zanaka ! „Endre ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra” (1 Jaona 3:1).