Talata 7 Jolay 2026
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko ; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro ; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho. Salamo 139:23-24
Efa tranainy ny trano ipetrahanay, ary nisy fariparitra nipoitra teo amin’ny rindrina iray ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. Nanaraka ny torohevitr’ireo namanay aho, nandoko ilay rindrina tamina loko isan-karazany tsara kalitao. Nefa dia mbola niverina hatrany ireo fariparitra. Nikasa handrava ampahany amin’ilay rindrina aho, mba hahafantarako ny olana, no nisy tamin’ireo namako nanandrana nandresy lahatra ahy tsy hanao izany, ary nanakiana ny loko na ny fomba nandokoako ! Nony farany dia nandravako ihany ilay rindrina : niparitaka ny ampahana lalotra sokay. Dia iny aho fa nahita lalan-drano iray simba, teo amin’ny valindrihana ; ary rehefa niezaka nanakatra ilay izy, dia nahasimba tariby mitondra herinaratra. Noho izany aho dia tsy maintsy nanavao ampahany tamin’ny tariby mitondra herinaratra sy namboatra ny valindrihana. Nandany fotoana ireo asa noheveriko ho tsotra ireo, ary nitaky sarany tsy nampoizina… nefa dia tsy nisy intsony ireo fariparitra !
Izany ve tsy maneho ny fiainantsika indraindray ? Fahazaran-dratsy iray, fiankinan-doha, fahadisoana matetika miverimberina : mandray fanapahan-kevitra tsara isika, manao ezaka samihafa, nefa tsy misy na inona na inona miova… satria hamaivanintsika ireo, fa tsy sainintsika lalina. Ndao hiaiky an-kitsimpo eo anatrehan’Andriamanitra ireo fahadisoantsika, fahalemena, hakanosana, ary tsy hanandrana hiseho ho hafa noho izay maha isika antsika. Ndao hangataka an’Andriamanitra hampiseho antsika ny antony lalina mitarika antsika hania. Mety hangirifiry izany amin’io fotoana io, nefa avy eo dia hiteraka vokatra tena misongadina, ho an’ny fiainana maha kristiana antsika.