Alatsinainy 6 Jolay 2026

Jesosy Kristy … tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena. Asan’ny Apostoly 4:10, 12

Manana fatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika, noho ny ran’i Jesosy. Hebreo 10:19

 

Fahazoan-dalana mahavonjy

Isika angamba efa tojo fandrarana tsy hiditra ao amina toerana ho an’ny besinimaro, satria tsy nanana „fahazoan-dalana ara-pahasalamana”. Fahadisoam-panantenana toy inona moa izany ! Na noho ny fanadinoana na fanahy iniana, raha tsy manana fahazoan-dalana aho dia tsy mahazo mandingana ny varavarana.

Ndao hanao fampitahana amina lohahevitra iray tena matotra : tsy afaka atao ny miditra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, raha tsy mino an’i Jesosy Kristy. Ambaran’ny Baiboly fa ao aminy irery ihany no misy io fahazoana miditra io. „Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery (na : zo) ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12). Jesosy irery ihany no manadio antsika amin’ny fahotantsika, izay manakana antsika tsy hanatona an’Andriamanitra. Tamin’ny sorona nataon’ny Zanany teo amin’ny hazofijaliana, Andriamanitra dia nanome ny famelan-keloka sy nanokatra ny lalana mankany aminy. Mazava ny dingana tokony hatao : mino an’i Jesosy maty sy nitsangana velona indray hamonjy ahy aho, dia manana io „fahazoan-dalana” sarobidy aoka izany io ; raha tsy miraharaha io fomba io kosa aho, dia tsy hanana izany…

Angamba heverinao hoe hentitra loatra izany fanambarana izany… nefa io „fahazoan-dalana” io, io taratasy milaza fahasoavana io, omena ireo rehetra manaiky handray azy io, dia nitaky ny fijaliana fanonerana fahotana, fijalian’Ilay Zanak’Andriamanitra, sy ny fahafatesany. Mariky ny fitiavana tsy misy fetra avy amin’Andriamanitra sy ny Zanany.

Vakio ny Baiboly, ary angataho Andriamanitra mba hanazava anao. Ho ahy sy ho anao ny hafatra milaza fahasoavana entiny. Ho hitanao ao ny tenin’ny apostoly Jaona hoe : „Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13).