Alahady 5 Jolay 2026
Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Salamo 8:3-4
Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy. Hebreo 2:9
„Inona moa ny olona ?” hoy i Davida mpanjaka, nanontany tena. Manoloana ny fidadasik’izao tontolo izao isika dia mahatsapa tena ho marefo sy tsinontsinona. Manohy i Davida hoe : „Ny zanak’olombelona… efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra … ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tananao izy ; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony” (Salamo 8:4-6). Mety ho hafahafa amintsika izany teny izany. Iza moa io olona manjaka amin’ny tontolo rehetra io ? Mamaly izany fanontaniana izany ny epistily ho an’ny Hebreo, mitanisa io teny io ka mampihatra azy amin’i Jesosy, Ilay Olona araka ny fihevitr’Andriamanitra (ny andininy faharoa androany).
Ilay Andriamanitra Mpahary tokoa mantsy dia tonga tetỳ an-tany, naka endrik’olombelona —Jesosy- nefa nitoetra hatrany ho Andriamanitra. Miantso ny tenany ho ny „Zanak’olona” Izy (Jaona 3:13). Jesosy dia ambony lavitra noho ny anjely, nefa nandray io toeran’olombelona io mba hahafahany ho faty, fa ny anjely kosa dia tsy mba maty.
Nefa Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia nandresy ny fahafatesana, nitsangana velona indray, ary nakarina any an-danitra. Any Izy ankehitriny, Olona ao amin’ny voninahitra, nohosorana ho mpanjaka. Jesosy Kristy dia „eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra… ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery” (1 Petera 3:22). Mbola tsy hitantsika fa Jesosy feno voninahitra dia manapaka ny zavatra rehetra. Nefa ambaran’ny Baiboly fa ho avy tsy ho ela Izy, handray an-tanana ny fitantanana izao tontolo izao.
Ilay olona araka ny fihevitr’Andriamanitra dia tena Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, nanjary olona mba hamonjy antsika. Ankehitriny Izy dia mitaona ny olombelona, izay marefo, ary indrindra lavitra an’Andriamanitra noho ny fahotany, mba hino Azy ka hiaraka aminy any an-danitra sy hanana anjara amin’ny voninahiny, indray andro any.