Asabotsy 4 Jolay 2026
Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany… Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra… Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika. Asan’ny Apostoly 17:24-28
Izy koa no … mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny. Hebreo 1:3
„Ianareo mahita an’Andriamanitra hatraiza hatraiza ! Tamin’ny fiandohan’izao tontolo izao, eo amin’ny fizotran’ny zava-mitranga, eo amin’ny fiainanareo… Hatraiza hatraiza ! Avy aiza izao tontolo izao ? Avy amin’Andriamanitra. Ho aiza izao tontolo izao ? Ambaran’Andriamanitra antsika ao amin’ny Baiboly izany. Tsy manana olana hoe ianareo ? Noho Andriamanitra izany. Manana olona hoe ianareo ? Andriamanitra no manaitra anareo… Tsotra loatra ny fomba fijerinareo !”
Angamba ny sasantsasany amin’ny mpamaky anay mba te hanao izany fanakianana henjana izany. Angamba koa misy kristiana sasany manao karazana „fijoroana ho vavolombelona be lazao”, mampiseho hoe milamin-tsaina lalandava izy ireo.
Azo antoka fa misy fifandisoan-kevitra ao. Tsy manana valiny amin’ny zavatra rehetra tsy akory ny kristiana, nefa kosa manaiky an’Andriamanitra ho Ilay fanazavana tsy azo ihodivirana ny tontolo misy, ary mahafantatra Azy ho Iray tia azy. Mahafantatra Azy ny kristiana, izany hoe mifandray aminy. Andriamanitra miteny aminy ao amin’ny Baiboly, miteny mangingina amin’ny fony sy amin’ny zava-mitranga eo amin’ny fiainany ; ny kristiana kosa miteny aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Mamaly azy Andriamanitra, miditra an-tsehatra. Tsy hoe araka izay iriny mandrakariva tsy akory, nefa matoky hatrany Ilay Rainy any an-danitra izy.
Lehibe indrindra Andriamanitra. Na izany aza anefa, ny kristiana dia tsy manoa an-jamba ny lahatra. Fantany fa tia azy io Andriamanitra Tsitoha io, ka nanome mihitsy an’i Jesosy Kristy Zanany. Koa ahoana moa, ankehitriny, no tsy hanomezany ho azy ny tsara indrindra ?
Eny, tena ahazoana tombony ny mahafantatra Azy.