Zoma 3 Jolay 2026
Tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe : „Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Asan’ny Apostoly 20:35
„Miaina tsotra fotsiny mba hahafahan’ny hafa miaina tsotra”. Tenin’olon-kendry iray izany, milaza tsara ny fanamby atao amintsika tsirairay.
Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, dia mitaona antsika hisaintsaina ny voan-kevitra hoe fifampizaràna. Ny mizara, voalohany indrindra, dia ilaina ho an’izay manam-be, satria ny fontsika dia mirona hifikitra amin’ny fananan-karena. Rehefa afaka amin’ny fitiavam-bola isika, ary araka izany, afaka amin’ny fitiavantena, dia afaka manaraka ny dian’i Jesosy, ka miankina amin’Andriamanitra. „Ary izay ta hanankarena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana, ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be” (1 Timoty 6:9-10).
Mahasoa koa ny mizara, satria mba afaka misitraka izay zaraina ny olona tsy manana akory izay tsy maintsy ilainy. Koa ny mizara dia ahafahana mamerina fitoviana sy manorina fifandraisana eo amin’ireo mahafoy zavatra sy ireo mandray izany. Rehefa mizara dia tafaray fo amin’Andriamanitra, Izay mihevitra ny mahantra, ary fotoana fanararaotra izany hampisehoana ny hafaliana. „Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena ; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra” (2 Korintiana 9:7).
„Raha misy ny fahazotoana [hanome], dia … tsy ny hahatonga fitsaharana amin’ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany, fa ny mba hisy fitoviana” (2 Korintiana 8:12-14).