Alakamisy 2 Jolay 2026
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary indro, tsara indrindra izany. Genesisy 1:31
Izao zavatra ary rehetra izao dia samy … miandry … sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana… Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento. Romana 8:19-22
Ny fahariana dia porofo tsy miteny, nefa mampiseho mazava tsara ny fisian’Andriamanitra sy ny heriny tsy misy fetra. Andriamanitra tenany mihitsy no nanambara fa izay rehetra nataony dia „tsara indrindra”. Ny Mpahary dia nanome loharanon-karena marobe sy isan-karazany, ary naniry ny hitantanana sy hitsinjarana ireo am-pahendrena, mba hahasoa ny olona. Noarìn’Andriamanitra tahaka ny endriny ny olombelona, ary nomeny azy ireo ny fanapahana ny tany sy izay rehetra eo aminy (Genesisy 1:26-28). Izy ireo dia nataony ho mpitantana izany, mpitantana tompon’andraikitra eo anatrehan’Ilay Mpahary azy ireo.
Nefa inona no nitranga ? Tsy nahatanteraka tsara io asa nanirahana azy io ny olona. Tsy nankatò an’Andriamanitra izy, ary nampiditra ny haratsiana teto amin’izao tontolo izao, ka voaozona ny tany noho ny nataony (Genesisy 3:17). Nikatsaka hitrandraka izay rehetra hainy notrandrahina izy, tsy nandanjalanja ny ho vokatr’izany, ary tsy nitsinjara ara-drariny ny harena azony avy amin’ny tany.
Ambaran’ny Baiboly fa „izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento”, satria mizaka ny vokatry ny otan’ny olombelona. Ohatra vitsivitsy amin’ireny ny tany mihakarakaina, ala aripaka tsy an-kitsitsy, karazan-javamananaina marobe mihasimba. Nefa tsy hijanona mandrakariva amin’izao toetra mahonena ankehitriny izao tsy akory ny voary. Hisy fanarenana mahatalanjona, nefa tsy ny fikasana tsara ao anatin’ny olona no hahatanteraka izany, fa ny fiverenan’ny Kristy. Hanjaka eto an-tany Ilay Mpahary, ary hifehy mivantana ny voariny, am-pahendrena sy am-pahamarinana. Hanjavona avokoa ny fikorontanana rehetra nateraky ny olona : izay no ho „fampodiana ny zavatra rehetra” (Asan’ny Apostoly 3:21).