Alarobia 1 Jolay 2026

Manàna finoana an’Andriamanitra. Marka 11:22

Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra ; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. Lioka 12:7

Raha tsy mbola miantso aza izy, dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho … hoy Jehovah. Isaia 65:24-25

 

Ilay poketra

Mipetraka any amin’ny ray aman-dreniny any ambanivohitra i Thérèse. Vao telo volana izao no nahitany asa ao amin’ilay tanàna mifanakaiky amin’ny tanànany ; ary ny karamany, na kelikely ihany aza, dia fanampiana lehibe ho an’ny fianakaviany. Vao avy nandray ny karamany indrindra izy, tamin’io andro io. Nony tonga tany an-tanànany izy ary nidina avy teo amin’ny bisikiletany, dia taitra mafy nahita hoe very ny poketrany, nisy ny karamany manontolo. Nivadi-po izy, niverina tamin’ny lalana nalehany, nefa tsy nahita ilay poketra ! Tampoka teo dia nisy eritreritra tonga tao an-tsainy : „Mba ho afaka manampy ahy Andriamanitra”. Nefa tsy kely loatra ve ny olany, ho an’Ilay ambaran’ny Baiboly hoe „milaza ny isan’ny kintana” ary manonona ny anaran’izy ireny tsirairay ? (Salamo 147:4) „Marina izany, nefa Izy koa dia mahaisa ny volon-dohantsika”, hoy izy anakampo, feno fatokiana.

Rehefa tonga teo akaikin’ny trano i Thérèse, dia nahita ny reniny nitsena azy. Inona iny hetsiketsehiny eny an-tanany iny ? Endre ! Ilay poketra ! Ary tao dia tao mihitsy ny vola. Nisy vehivavy mpiray monina, nitsimpona ilay izy tany an-tanàna, teo an-tsisin’ny arabe manoloana trano fivarotana iray. Rehefa nanokatra izany izy dia nahita sary : „Ilay tovovavy kely mpiara-monina amiko ity !” Ary nialoha kely azy izy, ka vao teo no tafody tany an-tanàna sy nanatitra ilay poketra.

Misaotra, ry Tompo ! miahy anay sy ny momba anay ; ny hatoky Anao tanteraka fotsiny ihany no tadiavinao aminay. Eny, tanterahinao ny fampanantenanao fahiny ny iray tamin’ny mpanomponao, hoe : Homba anao Aho, „tsy handao anao na hahafoy anao” (Josoa 1:5).