Talata 30 Jona 2026
Napetrany (napetrak’i Jesosy) taminy (tamin’ilay jamba) ny tànany, dia nanontaniany hoe izy : Mahita zavatra va ianao ? Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe : Mahita ny olona aho : fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra. Dia napetrany tamin’ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra. Marka 8:23-25
Ny andinin-tSoratra Masina androany dia mampiseho amintsika jamba iray nentina teo amin’i Jesosy, ary io fifampikasohana manokana amin’ny Tompo io dia hampahita azy indray. Mety ho gaga isika hoe niandalana ny fahasitranana, nefa tamina fotoana hafa, Jesosy dia nanasitrana jamba teo no ho eo. Tamin’ny voalohany aloha, ilay jamba dia nahita olona „toa hazo … mamindra”. Nanjavozavo ny fijeriny. Tsy maintsy nokasihina fanindroany izy, mba hahita mazava tsara. Dia hitany mazava ny zavatra rehetra, ary voalohany tamin’izany, Ilay nanasitrana azy tamina fomba nahagaga.
Tahaka fanasitranana hafa tantaraina ao amin’ny Filazantsara, ity vanin-tantara ity dia mamerina antsika amin’ny fanasitranana ara-panahy ataon’Andriamanitra amin’izay olona mitodika amin’i Jesosy Kristy. Rehefa mihaona amin’i Jesosy isika dia miala avy amin’ny masontsika ny kiran-trondro, miaiky isika fa mpanota eo anatrehan’Andriamanitra, ary mandray am-pifaliana ny famonjena azon’i Jesosy ho antsika teo amin’ny hazofijaliana.
Ny andininy anjarantsika eto dia manindry ny asa miandalana ataon’ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatintsika. Indraindray isika dia mirona hanome lanja be loatra ireo kristiana manodidina antsika —toy irony „hazo … mamindra”-, na mirotsaka toy inona ao amin’ny fiainam-pinoany aza izy ireo, ary mirona haka tahaka azy ireo. Toy ity jamba ity, isika dia mila ny fikarakaran’ny Tompo mba hifantoka indray amin’Ilay „nanasitrana” antsika. Rehefa mijery an’i Jesosy ao amin’ireo filazantsara isika, dia hahita mazava kokoa hatrany ny halavorariny. Dia hikatsaka am-bavaka ny sitrapony isika, mba hahafaly Azy amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika. Ankehitriny, tsapantsika ve ny maha zavamisy izay lazain’Andriamanitra antsika ?