Alatsinainy 29 Jona 2026
(Hoy Jehovah tamin’i Elia :) Ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any. 1 Mpanjaka 17:4
Ny onin’Andriamanitra dia tondra-drano. Salamo 65:9
Namely ny Israely ny hain-tany, ka nirahin’Andriamanitra i Elia mpaminaniny hiaina any anilana renirano iray (vakio 1 Mpanjaka 17:2-16). Tany i Elia dia afaka niala hetaheta, ary nandefasan’Andriamanitra goaika mba hitondra sakafo ho azy. Nefa nihena tsikelikely ny rano, ka nony ela dia ritra ilay renirano. Inona no hanjo an’i Elia ? Andriamanitra angaha tsy nandidy azy handeha any ? Ritra ny renirano, fa ny Andriamanitr’i Elia kosa dia teo lalandava. Koa nirahin’Andriamanitra i Elia hankany amina vehivavy iray mpitondratena sady mahantra, izay nasainy nanome sakafo ilay mpaminany. Ary Andriamanitra tenany mihitsy no nanome izay nilain’ilay tokantrano.
Ry kristiana, Andriamanitra dia mety haniraka antsika mazava tsara ho any amina toerana iray, tahaka an’i Elia. Efa nomanin’Andriamanitra ny zavatra rehetra any. Nefa tampotampoka eo dia miharatsy ny fandehan-javatra : „ritra ny renirano”. Dia sanganehana isika : tsy naniraka antsika angaha Andriamanitra ? Tiany ho tsapantsika fa Izy no mifehy ny toejavatra mitranga. Marina fa mitarika antsika mamakivaky ireny Izy, ary mikarakara antsika any amin’izay itondrany antsika. Nefa miovaova ny toejavatra, ary isika dia tsy maintsy miantehitra amin’Ilay Mpifehy ireny, dia Ilay tsy miova. Ny „androntsika”, izany hoe ny vanimpotoana samihafa eo amin’ny fiainantsika, dia „eo an-tanany”, ary mpanompony „ny zavatra rehetra” (Salamo 31:15 ; 119:91).
Ndao hahatsiaro fa Andriamanitra dia nandray an-tanana antsika toy ny zanaka malalany. Aza misalasala isika momba ireo fanapahan-kevitra nasainy noraisintsika. Dia tsy hanahiran-tsaina antsika ny „renirano ritra” ! Satria Andriamanitra dia efa nanomana ny tohiny. Ary hikarakara antsika Izy, tsy miova fa toy ny taloha, ao anatin’ireo toejava-baovao mitranga : tsy manam-petra ny loharanon-keriny (andininy faharoa androany).