Alahady 28 Jona 2026

(Hoy Jesosy :) Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay. Jaona 10:27-28

Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko. Ezekiela 34:16

 

Ny andian’ondrin’ny Tompo

Teo anoloanay dia nisy andian’ondry marobe namakivaky lemaka iray ao amin’ny tandavan-tendrombohitra Pyrénées. Ilay mpiandry ondry dia nandeha miadana, fa ny alikany kosa, miasa sy voabaiko tsara, dia nihazakazaka tetsy sy teroa mba hanangona ireo izay nihahaka. Variana izahay nahita ny ataony tsy mitsahatra sy am-pahasahiana.

Koa nanontany ahy ny raiko, izay manararaotra hatrany ny toejavatra toy izany mba handraisana fampianarana, hoe :

— Henri a, raha asaina mamorona andian’ondry iray ianao, dia ahoana ny fomba hifantenanao ireo ondry ?

— Hesoriko izay mandringa, avy eo ny osa indrindra, sy ireo mirona hania na hanalavitra ny andian’ondry, ary farany, hojereko ny hatsaran’ny volony.

— Azo antoka fa hahazoanao andian’ondry tsara izany fifantenana izany. Nefa fantatrao ve ny fomba namoronan’i Jesosy, Ilay Mpiandry Tsara, ny andian’ondriny, izany hoe ny Fiangonana ? Antsoiny hanatona Azy ny olombelona rehetra. Ampiany manokana ireo osa, ireo sasatra sy mavesatra entana, ireo torotoron’ny fiainana, ireo ivelan’ny fiarahamonina, ireo atao tsinontsinona. Raisiny an-tanana avokoa ireo rehetra matoky Azy sy manaraka Azy, satria tiany araka ny maha izy azy ireo.

Toy izany ny Fiangonan’ny Tompo, voarafitr’ireo niaiky ny fahamelohany eo anatrehan’Andriamanitra sy nanaiky ny fanafahana omen’i Jesosy maimaimpoana ho an’ireo izay mino Azy. Dia nandray fahamboniana avy amin’Andriamanitra izy ireo, fahamboniana maha zanak’Andriamanitra. Ampiraisina Fanahy iray ho mandrakizay izy ireo, ary miara-mirafitra ho andian’ondry lehibe tarihin’Ilay Mpiandry Tsarany, dia Jesosy Kristy.