Asabotsy 27 Jona 2026
Ampandrenesiny isamaraina isamaraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay. Isaia 50:4
Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe : Ry Samoela, ry Samoela ô ! Dia namaly Samoela hoe : Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. 1 Samoela 3:10
Ry kristiana namana, isika ve vonona mandrakariva hihaino an’Andriamanitra miteny amintsika ? Arakaraka ny toe-poko ao anaty no aharenesako tsara na tsia ny feon’Andriamanitra. Tsy ho reko miteny amiko Andriamanitra, raha tsy zava-dehibe amiko ny feony.
Indraindray dia tranga iray eo amin’ny fiainako no hahatonga ahy ho liana tampoka hihaino tsara ny feon’Andriamanitra. Ohatra, misy fanapahan-kevitra goavana tokony horaisiko, ka mila mahare an’Andriamanitra aho momba io toejavatra voafaritra mazava io. Ny teny androany anefa dia mampirisika antsika hizatra mihaino „isamaraina”, fa tsy rehefa mahatsapa ny ilàna izany fotsiny. Andriamanitra dia te hanentana ahy amin’ny feony, mba hahafantarako izay tiany hampianarina ahy isanandro. Mihaino Azy mandrakariva ve aho ?
Izaho ve vonona handre izay tiany holazaina ahy, sa misy sakana ao am-poko ? Ao amin’ny Baiboly dia mampianatra antsika ny tantaran’i Ely : tena ratsy fitondrantena ireo zanany lahy, ary nambaran’Andriamanitra taminy fa hofaiziny izy ireo. Nefa tsy vonona i Ely hihaino sy hanaraka io hafatra io. Nihamafy ny fony, ary nanjary toy ny tsy niraharaha io feo io izy. Koa handalo amin’i Samoela, izay mbola tanora, Andriamanitra, mba hanamafisany ny teniny. Vonona hihaino Azy i Samoela, nankatò, ary niteny tamin’Andriamanitra ny teny mahafinaritra hoe : „Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao”. Avy eo izy dia nampita tamin’i Ely hafatra avy tamin’Andriamanitra, hafatra sarotra henoina.
Vonona ve ianao handre izay rehetra tian’Andriamanitra holazaina anao ? Andriamanitra fitiavana sy fahamarinana Izy, tia mandrakariva ny tsara indrindra ho antsika. Koa manatòna Azy am-panetrentena, ary mitenena aminy hoe : „Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao”.