Zoma 26 Jona 2026

Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko. Romana 7:18

Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy … efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko. 1 Korintiana 15:10

 

Manome hasina ny tena

Misy kristiana mihevitra ho manetry tena rehefa milaza zavatra ratsy momba ny tenany. Asongadiny ireo fahalemeny, itarainany izay tokony ho toetrany… Diso lalana isika raha aleontsika miresaka ny lafiratsiny momba antsika, toy izay tsy miresaka izany mihitsy.

Toy ny taranak’i Adama rehetra, ny kristiana dia teraka nanana toetra maha mpanota, izay antsoin’Andriamanitra hoe ny „nofo”. Andriamanitra dia tsy manantena na inona na inona aminy ! Nohelohina teo amin’ny hazofijalian’ny Kristy ny nofo (Romana 6:6 ; Galatiana 2:20). Koa rehefa mitady hipoitra indray izy io, dia zoko ny mandray azy ho toy ny efa maty.

Efa nalamin’Andriamanitra ny momba io resaka io, koa nahoana aho no mbola hiasa saina amin’izany ihany ? Hidika izany fa mbola mihevi-tena ho afaka manao ny tsara ihany aho. Nefa aho rehefa afaka manambara hoe : „Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko”, dia milamina avokoa ny zavatra rehetra ! Fanafahana anie izany e ! Miova fihetsika aho manomboka hatreo, ary miaina mieritreritra ny Mpamonjiko, fa tsy ny tenako intsony. Satria aho nomen’Andriamanitra toetra vaovao afaka manao ny tsara, ary koa ny Fanahiny, mampianatra ahy hiaina mba ho voninahiny.

Ny apostoly Paoly dia milaza ny tenany ho voalohany amin’ny mpanota, ary manambara ho tsy mendrika ny antsoina hoe apostoly, satria nanenjika ny fiangonana (1 Timoty 1:15 ; 1 Korintiana 15:9). Nefa marihiny koa ny nanaovan’Andriamanitra azy sy nataony tao aminy ! Toy izany koa, tsy tokony hoharatsiako ny nataon’Andriamanitra tato amiko sy nanaovany ahy, satria asany izany. Ary raha nomeny fahaiza-manao zavatra sasantsasany aho, dia tsy mila mandà izany amina fanetrentena haitraitra. Tsy misy avy amiko ireo, fa eo mba hoenti-manompo Ilay nanome azy !