Alakamisy 25 Jona 2026
(Hoy Jesosy :) Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy ; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. Jaona 15:5
Tamin’ny taona 1908, ilay Norveziana Christian Mustad dia nandray torohevitra tamina mpahay tantaran’ny zavakanto iray, hividy sary hosodokon’i Vincent van Gogh. Nampiriminy haingana tany amina fitoeran’entana izy io, raha vao nambaran’ny ambasadaoron’i Frantsa tany Soeda sy ny solontenam-panjakan’i Norvezy tany Paris hoe sandoka. Nijanona tao ilay sary hosodoko mandra-pahafatin’i Mustad tamin’ny taona 1970, nivarotana azy tamina mpanangona asa kanto iray hafa. Notombanana imbetsaka io hosodoko io, ary nambara hatrany hoe sandoka. Nefa tamin’ny taona 2012 dia nisy manampahaizana iray nampiasa solosaina, ka nahita fa ny lamban’io hosodoko teo ampelatanan’i Mustad io, ny „Masoandro mody any Montmajour”, nataon’i van Gogh tamin’ny taona 1888, dia nalaina tamin’ny lamba-na asa kanto iray hafa nataony tamin’io taona io : hay izany tena izy ilay hosodoko nananan’i Mustad !
Eo amin’ny lafiny kristiana, hampiseho ny tenanao ho sandoka ve ianao ? Matahotra ve ianao hoe raha mandinika anao ny olona sasany dia hihevitra fa kely vavaka ianao, kely fanome, ary kely fanompoana ny Tompo ? Ianao ve halaim-panahy „hiafina any amin’ny fitoeran’entana” ? lavitry ny mason’olona.
Nefa raha nino ny Tompo Jesosy ianao, dia iray „lamba” aminy, na raha hampiasa ny kisarisarin’ny teny androany, ianao dia sampan’ny voaloboka, Izay Jesosy. Iray tsy hay sarahina ianao sy Jesosy.
Aza „miafina any amin’ny fitoeran’entana” fa mitoera ao amin’i Jesosy, matoky ny famelan-keloka omeny sy ny fitiavany, izay lehibe lavitra noho izay rehetra tsy fahombiazanao, sy fahadisoanao aza. Dia ho resy lahatra ianao fa Izy dia ao aminao, ka hihamatanjaka ny finoanao.