Alarobia 24 Jona 2026

Andriamanitra… tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina. 1 Timoty 2:3-4

 

Ny tsiron’ny tena izy

Nisy fizisiana filôzôfa iray namelabelatra ny lohahevitra hoe : „Ny tsiron’ny tena izy”. Ny nanombohany dia teny fampieritreretana hoe : „Ireo fahamarinana ara-tsiansa dia tsy lavorary sady tsy raikitra. Mivoatra ny sasantsasany, ny hafa manjary diso tanteraka amin’ny farany, rehefa mandeha ny fotoana. Koa tokony ho hentitra sy malina, eo amin’ny fomba ilazana azy ireny…”

Isika dia miaina ao anaty tontolo tototry ny haino aman-jery ; vaovao tsy tambo isaina no aely 24 ora isanandro, miaraka amina lainga maro, „vaovao tsy marina”, vaovao mifanohitra. Aiza no hahitana ny marina ?

2000 taona lasa izay, i Pilato goverinora romana dia efa nametraka tamin’i Jesosy, nampangaina, ny fanontaniana hoe : „Inona no marina ?” (Jaona 18:38). Indrisy fa nanao zavatra hafa avy hatrany i Pilato, tsy niandry akory ny valintenin’i Jesosy. Aza manao tahaka azy isika, fa ndao hihaino ny tenin’i Jesosy tenany mihitsy ao amin’ny Filazantsara, hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Tonga teto amin’ity tany ity Izy, mba hitondra ho antsika ny fahasoavana sy ny fahamarinana (Jaona 1:17). Lazainy antsika ny marina momba ny toetra maha mpanota antsika, sy ny ilantsika mihavana amin’Andriamanitra. Miaraka amin’izany Jesosy dia manome antsika famelan-keloka maimaimpoana, amin’ny alalan’ny finoana Azy. Fahasoavana anie izany e !

Jesosy niresaka tamin’ny Rainy dia nanambara hoe : „Ny Teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17). Napetrak’Andriamanitra ho antsika ny Teniny voasoratra, ny Baiboly, ilazany amintsika ny fahamarinana. Koa aoka isika tsy hanaiky hokorontanin-javatra tsy azo antoka, ary indraindray mamitaka. Ndao hamaky sy ho tia ny Tenin’Andriamanitra : ho hitantsika ao Jesosy Kristy : „Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:20).