Talata 23 Jona 2026

Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana ? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany, amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. Jakoba 3:13

Olona tokony hanao ahoana moa ianareo, amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. 2 Petera 3:11

 

Fitondrantena kristiana

Niantsena tao amina tranombarotra lehibe iray i Reema, misionera tanora tany amin’ny saikinosy arabika. Teo am-pandoavana vola dia diso i Ahmad, ilay tovolahy nandray ny vola, nanome azy mihoatra noho ny tokony naveriny. Satria marina i Reema, dia nampahafantatra azy ny hadisoany. Nanomboka nitsiky kely i Ahmad, nefa niova hevitra ary nisaotra azy. Mety nieritreritra izy fa kristiana io vehivavy io, raha jerena ny endriny ana vahiny.

Rehefa tonga teo amin’ny fiarany i Reema dia nahatsapa fa nanadino nividy rano, ary nanapa-kevitra aloha hanao izany amin’ny manaraka. Nefa nisy hevitra tonga tao an-tsainy hoe : „Miverena ao amin’io tranombarotra io, ary ao no mividiana izany !” Dia niverina izy.

Rehefa nanatona ny fandoavam-bola izy, nivimbina ny tavoahangin-dranony, dia nisy olona roa nitady hisongona azy. Tohina aloha izy, nefa nanao anakampo hoe fotoana io hampisehoany ny fitiavan’Andriamanitra. Nanaovany teny mora ireo olona ireo ary nasainy handeha eo alohany. Nanao fijery masiaka hatrany izy ireo no tsy nisalasa nankeny amin’ny fandoavam-bola. Nefa Andriamanitra, Izay mifehy ny zavatra rehetra, dia nanana drafitra. Nanara-maso ny zava-nitranga i Ahmad. Niera hiato kely izy ary nivoaka tany amin’ny arabe. Iny niala ny fitobiam-piarakodia iny i Reema no nanaovan’ilay tovolahy fihetsika mba hijanona. Nampidinin’i Reema ny varavaram-pitaratra :

— Misy azoko hanampiako anao ve ?

— Eny… te hanjary kristiana aho. Inona no tokony hataoko ?

Rehefa nampifankahalalan’i Reema tamin’ny vadiny i Ahmad, dia nanokatra ny fony taminy :

— Ireo kristiana fantatro dia tahaka ny vadinao : olo-marina sy be fitiavana avokoa izy rehetra. Te ho kristiana aho.

(araka an’i R. Goode)