Alatsinainy 22 Jona 2026
Nitsangana Izy (Jesosy), ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. Ary talanjona ny olona ka nanao hoe : Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy ! Matio 8:26-27
Jesosy dia nandidy ny mpianany hankeny ampitan’ny farihy (Matio 8:23-27). Fiampitana nahazatra azy ireo io, ary tsy nisy na inona na inona nahafahana naminavina loza mety hitranga. Tampoka teo dia nitsoka mafy aoka izany ny tafio-drivotra, ka nihevitra ireo mpianatra fa hilentika. „Ry kely finoana”, hoy ny Tompo tamin’izy ireo. Ilay nibaiko azy ireo hiampita ve dia mety hamela azy ireo ho faty eo afovoan’ny farihy ? Ny Tompo, Izay niaraka tamin’izy ireo ve dia mety ho voatelin’ny onja ? Mbola kely mihitsy ny fahafantaran’izy ireo Ilay arahiny !
Natory tao anatin’ny sambokely Jesosy, taoriana-na asa mafy nandritra ny andro maromaro ; nanohy natory ihany Izy, na teo aza ny onja mety hanafotra azy ireo. Hitantsika eto ny „nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona” (Filipiana 2:7), tao anaty fahalemen’ny toetra maha olombelona, izay nekeny hisalorana, mba hahatongavany hamonjy antsika. Teo Izy natory, natoky tanteraka Ilay Andriamaniny, Izay mikarakara Azy. Koa niharihary ny tena dikan’ny fanontaniana napetrany tamin’ireo mpianany hoe : „Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana ?”
Avy eo dia niova ny sehon-javatra : Ilay Andriamanitra Tsitoha no nitsangana, Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina. Niteny Izy, dia nitsahatra ny rivotra, nitony ny onja ; teny iray dia ampy. Halehibe toy inona moa tamin’io seho io, teo amin’ny fahatoniana tanteraka nananan’Ilay Zanak’olona, toy ny teo amin’ny fidiran’Ilay Zanak’Andriamanitra an-tsehatra tamin-kery !
Ny mpino koa dia tojo fiampitana mampidi-doza, amina fotoana sasantsasany eo amin’ny fiainany ; nefa fantany fa Jesosy dia ao anatin’ny sambokely, ary amin’ny fotoana tandrify, dia hahay hampitsahatra ny rivotra sy hampitony ny onjan-drano.