Alahady 21 Jona 2026
Fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony. 2 Korintiana 8:9
Crésus, mpanjakan’i Lydie, tany Azia minora, dia niaina tamin’ny taonjato faha-6 talohan’i Jesosy Kristy. Noho ny volamena notrandrahina tao amin’ny ony Pactole, dia nahangona harem-bevava tsy hita pesipesenina izy. Tamin’izany fotoana izany no nanombohana nampiasa ny volafotsy, na koa fangarom-bolamena sy volafotsy, mba hanamboarana vola vy. Nitondra ny tombokasen’i Crésus ireo vola vy, ary nipariaka eran’ny tontolo fantatra tamin’izany vanimpotoana izany. Avy tamin’izany no niavian’ny fiteny hoe „mpanefohefo toa an’i Crésus”, fiteny mbola anondroana ankehitriny ny olona manankarem-be.
Misy harena iray hafa. Ny Zanak’Andriamanitra, ao amin’ny voninahitra mandrakizay any an-danitra, dia manana harena tsy hain’ny sain’olombelona, saina voafetra, alaina sary an-tsaina na tombanana. Hoy ny Baiboly momba Azy : „Tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany” (Kolosiana 1:16). Azy izao tontolo rehetra izao.
Nefa Ilay Zanak’Andriamanitra dia niaina tao anaty fahantrana, mba ahafahany manampy sy manafaka antsika. Nanjary olona Izy. Ary tamin’ny maha olona Azy, dia tsy tonga teto amin’izao tontolo izao teo anivon’ny mpanankarena Izy. Fony nanompo ny olombelona Izy dia nahalala ny hanoanana, ny hetaheta, ny fahantrana. Mba hanafahany olombelona meloka, dia natolony teo amin’ny hazofijaliana ny ainy. Nataony izany mba hahatonga ny fahantrany hampanankarena antsika (Soratra masina androany). Fitiavana tsy takatry ny saina !
Mangetaheta ny tena harena anaty ve ianao ? Tsy ny vola no hitondra izany ho anao. Manatòna an’i Jesosy Kristy. Izy irery no hany afaka manome anao fiadanam-po, fiarovana, ary fanantenana velona ny amin’ny hoavy.