Asabotsy 20 Jona 2026

(Hoy Jesosy :) Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy … mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra… Fa izay itoeran’ny harenanao, dia ho any koa ny fonao. Matio 6:19-21

 

Aiza no misy ny harenanao ?

Nitantara tamiko ity manampahaizana manokana momba ny fanaka, izay nitsidika trano-na mpanankarem-be maro :

— Indray andro dia nisy olona manankarem-be iray nangataka ahy mba hanombana ny fananany. Andro maromaro no laniko nanaovana izany. Rehefa vita ny tombana, dia tsy aritro fa nidera ilay mpanana aho, noho ny fananany mihoatra be lavitra noho ny rehetra fahita. Koa nametraka ny tanany teo ambony soroko io lehilahy efa zokiolona manodidina ny 90 taona io, ary nijery ahy nifanatrika tsara, sady niteny hoe : „Ry tovolahy sakaizako, amin’izao taonako izao dia zavatra tsy misy dikany ihany ireo”.

Nanohina mafy ilay mpahay fanaka izany teny izany, ary nahagaga ahy koa aza : raha nihevitra toy izany io rangahy antitra io, nahoana no nanangona ireo harem-be ireo ? Ny marina dia hoe tonga saina izy fa rehefa mandroso taona, dia manatona tsy hay sakanana ny fotoana tsy maintsy handaozan’ny olona ny zavatra rehetra. Takany tsara fa ny harena hita maso dia tsy misy lanjany intsony, rehefa eo am-baravaran’ny mandrakizay.

Misy anefa fampiteraham-bola tsy mihen-danja na oviana na oviana. Amin’izany, ireo rehetra nanapa-kevitra ho an’ny Kristy, nandray Azy ho Mpamonjiny, dia manana harena voatahiry any an-danitra. Ireo manatona an’i Jesosy miaraka amin’ny fahamelohany dia mandray famelan-keloka sy fiainana mandrakizay. Antsoina mihitsy hoe zanak’Andriamanitra aza izy ireo, mpandova an’Andriamanitra, ary mpiray lova amin’i Jesosy Kristy (Romana 8:17). Tsy afaka hanankarena mihoatra noho izany isika.

„[Andriamanitra] Izay tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ?” (Romana 8:32).