Zoma 19 Jona 2026

Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin’ny roimemy anankiray ; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana. Ary hoy Mosesy : Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan’ny roimemy. Eksodosy 3:2-3

 

Manaiky „hohelingelenina”

Mampahazo toky ny miaina ao amina fahazarana miorina tsara, vinavina voafaritra, lalana misy famantarana. Nefa kosa rehefa misy toejavatra tsy nampoizina manakorontana ny fiadanam-piainantsika sy ireo fikasantsika, vetivety foana isika dia mitebiteby.

Isika ve manaiky „hahita ny zavatra amina fijery hafa” ? manaiky „hohelingelenina”, izany hoe hitenenan’Andriamanitra ? Mosesy, zanaka natsangan’ny zanakavavin’i Farao, ary nanjary mpiandry ondry, dia nanaiky „hohelingelenina”. Nivily lalana izy mba hizaha hoe nahoana no tsy nahalevonana ilay roimemy mirehitra afo (Eksodosy 3:3). Avy eo izy dia nanaiky hitondra vahoaka iray manontolo hamakivaky ny taniefitra. Tatỳ aoriana ela, Amosa dia nanaiky hokorontanin’Andriamanitra : mpiandry ondry izy no nanjary mpaminany (Amosa 7:14-15). Rehefa nantsoin’i Jesosy i Matio, izay nipetraka teo amin’ny latabatra famorian-ketra, dia nandao ny asany mba nanaraka Azy (Matio 9:9). Ireo olona rehetra ireo dia nandeha tany amin’ny tsy nampoizina, tany amina hoavy tsy voafehiny, natoky an’Andriamanitra.

Amin’izao vaninandro iainantsika izao, voamariky ny tsy fahazoana antoka ny amin’ny hoavy, dia mety hanaiky ho fenon’ny fitebitebena isika. Ary raha toa moa ireny toejavatra iainantsika ireny ka toy ny feon’Andriamanitra mitaona antsika hiova, hanatona Azy raha tsy mino isika, na hitombo ao amin’ny fatokiana raha efa mahafantatra Azy ?

Eny, ndao hanaiky „hokorontanin’Andriamanitra”. Matetika izany dia ataony amin’ny alalan’ny olona hafa, araka ny ambaran’ny tantaran’ilay lehilahy naratra teo amoron-dalana, ka novonjen’olona iray, izay onena nahita ny fahoriany, ary nikarakara azy (Lioka 10:30-37).