Alakamisy 18 Jona 2026
Dia raiki-tahotra izy (Jakoba) ka nanao hoe : Endre, mahatahotra ity fitoerana ity ! tsy hafa ity, fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra. Genesisy 28:17
Tsy manan-tahotra ny fitiavana ; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra. 1 Jaona 4:18
„Sambany teo amin’ny fiainako aho no nieritreritra an’Andriamanitra, nihevitra tamin’ny fomba matotra karazana Mpahary izao tontolo rehetra izao, izay hoe manara-maso ny zavatra tsirairay ataoko ; ary tena nazava tsara ny fihetsiko voalohany, setrin’izay : ny tahotra fotsiny, tsotra izao.”
Io mpanoratra io dia manoritsoritra fihetsika nananan’olona maro ao amin’ny Baiboly. Nanomboka tamin’i Adama, rehefa nifanatrika tamin’Andriamanitra tao an-tsaha Edena. Niantso azy Andriamanitra, nanontany azy hoe : „Aiza moa ianao ? Dia hoy izy : Nandre Anao tao amin’ny saha aho ; dia natahotra aho” (Genesisy 3:9-10). Matahotra an’Andriamanitra ny olona, satria nanjary miady amin’Ilay Mpahary azy, nefa tokony ho nihaino sy nanome haja Azy. Samy efa tsy nankatò ny iray amin’ny didiny avokoa isika, indray andro ; koa nahoana no tsy hatahotra an’Andriamanitra ?
Nampidirin’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga tao amin’ny haraton’i Simona Petera ny hazandrano, ka nanoloana io fanehoan-kerin’Andriamanitra io, dia niantso mafy i Petera hoe : „Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. Fa talanjona izy” (Lioka 5:8-9). Koa fahasambarana toy inona moa ! ao am-pony velona ahiahy, ny nandre an’i Jesosy namaly azy hoe : „Aza matahotra”. Eny, ndao hatoky an’i Jesosy : hampitony antsika Izy. Fantany ny fangozohozontsika, ny lasantsika mavesatra angamba, sy ny fanalavirantsika an’Andriamanitra. Teo amin’ny hazofijaliana Izy nisolo toerana antsika, nizaka ny fanamelohana sahaza antsika. Ny finoana an’i Jesosy no mahatonga antsika ho afaka amin’izay rehetra mety ho fahamelohana. Ny finoana Azy no mampiditra antsika amina fifandraisana feno fatokiana eo anatrehan’Andriamanitra. Jesosy dia nampahafantatra antsika Azy ho Ray tia antsika. Ary io fitiavana io dia mandroaka ny tahotra.