Alarobia 17 Jona 2026
Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy (Davida), sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin’ny lohasahandriaka, ka nataony tao anatin’ny kitapo fitondran’ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany ; dia nanatona ilay Filistina izy. 1 Samoela 17:40
Toy izany no nandresen’i Davida ilay Filistina, tamin’ny vaton’antsamotady. 1 Samoela 17:50
Davida dia tena mbola tanora fony izy teo amin’ny sahan’ny ady nanoloana an’i Goliata, ilay lehilahy goavambe nampatahotra, izay hohantsiany amina adin’olon-droa irery. Nampiakanjoan’i Saoly mpanjaka azy ny fitafiana fanaony amin’ny ady. Tsy nahazo aina ity mpiandry ondry tanora, tao anatin’io fitaovana mavesa-be io, ka nesoriny izany.
Samy manana „Goliata” iadiana avokoa isika rehetra : fakam-panahy, fahazaran-dratsy, fampihorohoroana… Manolotra vahaolana ho amin’ireny ady ireny izao tontolo izao. Vahaolana mety ho mahery sy maharesy lahatra, nefa matetika tsy sahaza ho ana kristiana, toy ilay fitafiam-piadian’i Saoly.
Koa nisafidy fitaovam-piadiana mahagaga i Davida : antsamotady fampiasany mahazatra azy, mba hamonoany ny biby mpihaza ny andian’ondriny, sy vato kilonjy dimy voalaman’ny riaka.
Ary isika, inona no fitaovam-piadiana ampiasaintsika, hanoherana ireo „goavambentsika” ? Ny kristiana dia manana fitaovam-piadiana fiarovana atolotra ao amin’ny Efesiana 6:14-18, dia fisikinana fahamarinana eo am-balahana, fitafiana rariny ho fiarovan-tratra, fikiraroana fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana, finoana ho ampinga, fandraisana ny famonjena ho fiarovan-doha. Ny fitaovana tsirairay amin’ireo fiadiana ara-panahy ireo no ahafahana miaro tena amin’izay manafika matetika ny kristiana, dia ny tsy fahafantarana ny fahamarinana araka an’Andriamanitra, ny fakam-panahy tsy hanao araka izay irin’Andriamanitra, tsy fisiana fahatoniana rehefa mitory filazantsara, ny fisalasalana.
Nefa ve isika manana fiadiana fanafihana ? Eny, ny sabatry ny Fanahy, dia ny Tenin’Andriamanitra. Manampy ireo rehetra ireo ny fitaovana iray farany, dia ny vavaka, izay fitaovana entina miaro tena (rehefa miantso vonjy) sady fitaovam-panafihana (rehefa mangataka zavatra).