Talata 16 Jona 2026

Mahonòna tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady izay harapany. 1 Petera 5:8

Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo. Romana 16:20

 

Satana, fahavalo efa resy

Matetika odiana tsy fantatra i Satana, ilay devoly, na koa heverina ho anganongano. Inona anefa no lazain’ny Baiboly momba izany ?

Satana dia voarin’Andriamanitra, anjely fahazavana (Losifera), nefa nikomy tamin’Andriamanitra. Notarihiny hanaraka azy tao anatin’ny fahadisoany ireo anjely nanompo azy. Nesorina taminy ny voninahiny, ka nanomboka hatreo izy dia nampiasa ny „herin’ny maizina” (Lioka 22:53). Mpamono olona hatramin’ny voalohany izy, ka tsy naharitra tao amin’ny fahamarinana, satria tsy misy fahamarinana ao aminy. „Mpandainga izy sady rain’ny lainga” (Jaona 8:44), ary izy indrindra no nanosika an’i Adama sy Eva hanota.

Tokony ho fantatsika fa voafetra izy, satria anjely navarina, fahavalon’Andriamanitra, ka fahavalon’ny kristiana ihany koa, ary ankehitriny fahavalo efa resin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Ny fitsanganan’i Jesosy Kristy velona indray no porofon’io fandreseny io (Hebreo 2:14, 15). Na izany aza anefa dia tsy manaiky ho resy i Satana. Toy ny nampanomboany ny Tompo teo amin’ny hazofijaliana, dia asainy enjehina ihany koa ny mpino. Tsy mitsahatra ny asany, nefa tsy manana fahefana mihitsy intsony amin’ny kristiana izy, ka raha toherintsika, dia handositra lavitra antsika (Jakoba 4:7). Hofaranan’Andriamanitra ny asan’io fahavalo mampivarahontsana io : „hatsipy any amin’ny farihy afo sy solifara” ho mandrakizay izy (Apokalypsy 20:10). Manoloana io fahavalo io, ny fialofan’ny kristiana dia ny mitoetra eo akaikin’i Jesosy, Ilay Mpandresy an’i Satana, Ilay Mpandresy lehibe.

Ndao hisaotra ny Ray, Izay „nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika” (Kolosiana 1:13-14).