Alatsinainy 15 Jona 2026

Nony ren’i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin’izay nitoerany ihany Izy. Jaona 11:6

Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy (Lazarosy)… Ary hoy Marta tamin’i Jesosy : Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko. Jaona 11:17, 21

 

Raha mba nihazakazaka ho atỳ mantsy Izy…

Marta sy Maria dia nampilaza tamin’i Jesosy fa narary mafy i Lazarosy anadahin’izy mirahavavy. Jesosy dia sakaizan’ny fianakaviana, ary nahazo antoka izy mirahavavy ireto fa afaka hanasitrana azy Izy. Niantehitra taminy izy mirahavavy, hoe azo antoka fa tsy maintsy hihazakazaka ho avy Izy… Kinanjo, zavatra tsy takatry ny saina, tsy avy Izy. Nandeha ny fotoana. Nihamafy ny aretin’i Lazarosy, dia maty izy… Tsy nisy antenaina intsony ! Tara loatra !

Nony farany, rehefa tonga Jesosy dia efa nilevina efatra andro tao am-pasana i Lazarosy. Nitovy ny teny nandraisan’i Marta sy Maria an’i Jesosy, hoe : „Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko”.

Tsy firaharahana ve no tsy nahatongavan’i Jesosy avy hatrany ? Tsia dia tsia ! Nanaiky Izy hotarihin’Andriamanitra Rainy, Izay nikendry zavatra lehibe kokoa noho ny fanasitranana. Eny, tonga tamin’ny fotoana sitrak’Andriamanitra i Jesosy. Ary teo Izy dia niantso an’ilay sakaizany, dia nivoaka ny fasana i Lazarosy, ka niseho ny fiandrianana maha Zanak’Andriamanitra Azy (Romana 1:4). Raha nanao araka ny noheverin’i Marta sy Maria Izy, dia ho nanatrika fanasitranana izy ireo, fa tsy ho nahita fananganana tamin’ny maty. Samy hafa tanteraka ireo !

Isika koa, ry mpino namana, dia mandalo zava-tsarotra, ary mivavaka mafy mba hidiran’ny Tompo an-tsehatra. Saingy raha tsy misy na inona na inona mitranga, dia diso fanantenana isika… Namadika ny fitokisantsika Azy ve ny Tompo ? Ndao hisaintsaina ny tantaran’i Lazarosy. Ndao hatoky fa matoa ny Tompo tsy niasa, na tsy niasa teo no ho eo, dia satria manana ny antony Izy. Tsy mba tsy firaharahana na oviana na oviana ! Ary ny valin’izay angatahintsika dia ambony noho ny heverintsika, ary tsara lavitra kokoa.