Alahady 14 Jona 2026

Tany amin’ny saha izay atao hoe Getsemane [Jesosy sy ny mpianany]… Jesosy … nitondra an’i Petera sy Jakoba sy Jaona … Ary hoy Izy taminy : Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty ; mitoera eto, ka miareta tory. Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany aminy, raha azo atao. Marka 14:32-35

 

Saha roa : Fankatoavana sy fiainana (2)

Andriamanitra dia „nanao saha tao Edena” mba hahasoa sy hahafaly ny olombelona. Lavorary avokoa ny zavatra tao, ary nirindra ny fifandraisan’ny olona tamin’Andriamanitra. Saingy nisy zava-doza nitranga : tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva ary nanao ny fahotana voalohany.

Ny Baiboly dia miresaka saha iray hafa, antsoina hoe Getsemane. Tao anatin’ny alina dia nisy lehilahy iray nitokana, niankohoka tamin’ny tany ary nivavaka. Nangorohoro Izy, ary niantso mafy an’Andriamanitra. Nitete tamin’ny tany toy ny ra ny hatsembohany. Nisy anjely iray tonga nampahery Azy. Jesosy io Lehilahy io. Fantany fa afaka ora vitsivitsy dia hohomboana eo amin’ny hazofijaliana Izy. Hihatra aminy eo ny famaizan’Andriamanitra noho ny fahotana tsy hita isa nataon’ny olombelona, fahotana noraisiny teo amin’ny tenany. Araka izany Izy, Izay tsy nahalala ota, dia hataon’Andriamanitra ota hamonjy antsika (2 Korintiana 5:21). Tsy maintsy hiaritra izany rehetra izany Izy, hatramin’ny fahafatesana. Izany no nahatonga Azy nitalaho hoe : „Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42).

Fandavantena tsy misy fetra : na teo aza ny tebitebin’i Jesosy manoloana ny fahatezeran’Andriamanitra, fahatezerana ara-drariny, dia vonona Izy, Ilay Zanak’Andriamanitra, nitondra ny hazofijaliany, vonona hanatona ny fampijaliana, mba hamonjy antsika tsirairay, mba hamonjy ahy ! Nanao izany Izy, nankatò tsy hay nohozongozonina, satria tia Ilay Andriamaniny ary tia antsika ihany koa.

Very indray mandeha tsy miverina ny saha Edena, satria tsy nankatò ilay lehilahy voalohany. Tonga teto amin’izao tontolo izao ny fahafatesana ary nahatratra ny olona rehetra. Tao Getsemane kosa, nifanohitra tamin’izany, dia namirapiratra ny fankatoavan’i Jesosy Kristy, Izay olona. Hanolotra ny tenany Izy mba hitondra fiainana mandrakizay ho an’olona very.

(tapitra)