Asabotsy 13 Jona 2026

Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. Genesisy 2:8

 

Saha roa : Tsy fankatoavana sy fahafatesana (1)

Ny teny hoe Edena, izay midika hoe „hasambarana, hatsaran-tarehy”, dia mamaritra tsara io saha nomanin’Andriamanitra io mba hahasoa ny zanak’olombelona. Ilay saha dia nisy ony nanondraka azy sy hazo mahafinaritra nitondra voa maro. Nambolen’Andriamanitra teo afovoany ny hazon’aina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

Adama dia tokony namboly sy nitandrina io saha io. Asa mahafinaritra izany, nefa nitaky andraikitra. Didy tokana ihany no nomen’Andriamanitra an’i Adama : „Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany ; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana ; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao” (Genesisy 2:16-17).

Inona no nataon’i Adama ? Nankasitraka tsotra fotsiny an’Andriamanitra ve izy ? noho io tontolo iainana mahatalanjona io ; faly ve izy nankatò ny didin’Andriamanitra ? toy ny atao amin’olona nanome ny zavatra rehetra ho azy ; afa-po ve izy ? Tsia, izy sy i Eva vadiny dia samy nihaino ny feon’ny menarana, ilay feo mamitaka. Noraisin’izy ireo ny hevitry ny devoly, hoe tsy hankatò an’Andriamanitra. Tamin’izany no „nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra” (Romana 5:12).

Nandresy ve i Satana tamin’ny nitarihany hiaraka aminy, ho amin’ny fahaverezana, ireo olona izay tian’Andriamanitra ho sambatra ? Tia ireo zavaboariny Andriamanitra, ary nanana drafitra hamonjena azy ireo. Ho amin’izany dia nirahiny tetỳ an-tany ny Zanany, naharesy an’i Satana ary nanafaka „izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana, noho ny tahotra ny fahafatesana” (Hebreo 2:15). Mba hamonjena azy ireo, Jesosy dia tsy maintsy niditra tao anatina saha iray hafa tanteraka.

(rahampitso ny tohiny)