Zoma 12 Jona 2026
(Hoy Jesosy :) Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany. Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. Jaona 15:10-11
Andriamanitra dia nahary ny olombelona mba hiaina sambatra eo anilany. Tsy naharitra io fotoam-pahasambarana io, tao an-tsaha Edena. Nanimba ny zavatra rehetra ny tsy fankatoavan’ny ray aman-drenintsika voalohany. Tsy afaka hanana ny tena fahasambarana intsony ny olona, satria nihodina tamin’Ilay Mpahary azy. Tao anaty tontolo tsy misy an’Andriamanitra izy dia namorona fahafinaretana mandalo sy fahafahampo mihelina ; nefa zavatra hafa tanteraka ny atao hoe fahasambarana.
Andriamanitra anefa dia maniry ny fahasambaran’ny olombelona. Taonjato maro talohan’izao vanimpotoana iainantsika izao dia nanambara Izy hoe : „Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza, tamin’ny nandidiako anao androany ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ny làlany ary hitandrina ny didiny sy ny lalànany ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao…” (Deoteronomia 30:15-16). Ary koa : „Mifankazara amin’ny Tsitoha (amin’Andriamanitra) ianao, dia hiadana ; izany no hahatongavan’ny soa aminao” (Joba 22:21).
Ny Testamenta Vaovao dia manome fanambaràna voafaritra mazava kokoa hoe : „Isika (dia) nampihavanina tamin’Andriamanitra, tamin’ny nahafatesan’ny Zanany” (Romana 5:10). Eny, mandalo amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ny lalana mankamin’ny fahasambarana. Nozakainy teo amin’ny hazofijaliana ny famaizana sahaza antsika, izay nitady fahasambarana tsy misy an’Andriamanitra. Nijaly Izy mba hahitantsika fifaliana lalina sy maharitra.
Koa ny kristiana mahatsapa ny sarany nefain’ny Kristy, dia faly mamaly io fitiavana io ary maniry „hitandrina ny didiny”, izany hoe tena hiaina marina ny fampianaran’ny Baiboly. Ary izany no manome azy „fifaliana tanteraka”.