Alakamisy 11 Jona 2026

Amin’ny fanginana sy ny fatokiana no hisian’ny herinareo. Isaia 30:15

Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho sady mamonjy anao. Isaia 41:10

 

Aza matahotra ianao

Taorianan’ny Ady lehibe faharoa, ireo firenena tandrefana dia niaina vanimpotoana niroborobo sy azo lazaina hoe milamindamina. Asehon’ny tantara antsika fa toejavatra tsy fahita izany, ary efa anisan’ny lasa sahady. Ny marina dia hoe tsy nisy fitsaharana ny fifandirana sy ny ady teto amin’ny planeta. Matetika ireny tranga mamohehatra ireny dia vokatry ny haratsian’ny olombelona, izay nitodi-damosina Ilay Mpahary azy.

Afaka hisy fandriampahalemana ve eto an-tany ? raha tsy manjaka eo amin’ny fifandraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra. Mifamatotra akaiky ny fahamarinana sy ny fandriampahalemana.

Iza no tsy voakasika olana andavanandro eo amin’ny lafiny ara-pianakaviana na araka asa ? Toejavatra manahiran-tsaina sy mampitebiteby… Manoloana izany rehetra izany isika dia miaina ao anatin’ny tahotra. Aoka isika hanaiky fa tsy manana vahaolana, ary ndao hanatona an’i Jesosy, Izay nanakaiky ny olona. Izy, Ilay tsy nanana ota, dia niara-niaina tamintsika ny toetra maha olombelona antsika. Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia nanao sorona ny tenany, nitondra ny famaizana sahaza ireo fahadisoantsika. Izay mino Azy dia marina eo anatrehan’Andriamanitra ary manana fiadanana, mandray ny fiainana mandrakizay. „Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana (dia aoka isika hanana) fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 5:1). Hoy Jesosy amintsika : „Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47). Izy ve tsy efa manome antsika sahady fampanantenana mahatalanjona ho amin’ny ankehitriny ? „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva”, hatramin’ny farany (Matio 28:20).

Efa 2000 taona mahery izao dia mpino tsy hita isa no nametraka ny finoany tamin’ny Kristy Jesosy. Mba hananantsika aina vaovao, ao anatin’ny fiadanan’ny fitiavan’Andriamanitra, na eo am-pamakivakiana ny zava-tsarotra mianjady amintsika aza, dia ndao hatoky Ilay miteny amintsika hoe : „Momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao” (Isaia 41:10).