Alarobia 10 Jona 2026
Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo ; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo… Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao. Matio 7:1, 2, 5
Mampandini-tena antsika ny tenin’i Jesosy (andininy androany). Tokony tsy hiraika manoloana ny ratsy ve isika ? ka tsy hampitandrina ireo manaiky hotarihiny. Tsia, „Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah” (Ohabolana 8:13). „Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy” (Isaia 5:20).
Nefa eto Jesosy Tompontsika dia te hampitandrina antsika manoloana ny fanahy mitady hitsara, manoloana ilay fironana ratsy ananantsika hahita ny ratsy eny amin’ny hafa, sy hikimpy tsy hijery ireo fahadisoan’ny tenantsika. Tamin’ny vanimpotoanan’i Jesosy dia tena niharihary io fironana io, teo amin’ireo lohandohany ara-pivavahana, indrindra ny Fariseo. Rariny ny ankahalantsika ny fihetsik’izy ireo feno fihatsarambelatsihy, nefa ndao hahitsy fo, hiaiky fa mitovitovy amin’izy ireo ihany isika, indraindray ! Koa ndao àry ho malina, ary tsy hihevitra hoe tsy ho tratran’izany fibirioka izany.
Ampahatsahivin’i Jesosy koa fa „izay afafin’ny olona no hojinjainy” (Galatiana 6:7). Mijinja ny vokatry ny ataontsika sy ny tenintsika isika, ary mitono tena hiharana fitsarana masiaka, toy izay nataontsika ihany koa teo amin’ny fitsarantsika. Mbola misarika ny saintsika ihany koa Jesosy fa izay zavatra rehetra tsy milamina eo amin’ny fiainantsika manokana (ny andry eo amin’ny masontsika) dia manamaizina ny fahaizantsika manavaka ara-panahy, ka mamery hasina antsika tsy hahay manombana tsara ny zavatra eny amin’ny hafa. Koa ndao hampahery ny tenantsika, mba halemy fanahy amin’ireo olona akaiky antsika ; ary isika kosa, aoka hanaiky hodinihin’ny fahazavan’Andriamanitra : „Andriamanitra ô… izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro” (Salamo 139:23).