Talata 9 Jona 2026

Hoy Andriamanitra : Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ny zavamanana aina rehetra eo aminareo, hatramin’ny taranaka faramandimby : Ny avako efa napetrako eo amin’ny rahona, ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ny tany. Genesisy 9:12-13

 

Ny avana

Matetika isika, aoriana-na oram-baratra, dia mahita avana miseho, mamiratra sy maro loko mahatalanjona. Ny avana dia vokatry ny tanamasoandro mamakivaky ny orana. Ohatra ny fotsy no fahitana ny hazavan’ny masoandro, nefa ny zavamisy dia hoe ny loko rehetra no miara-mandrafitra ny hazavana, ho fotsy. Rehefa mamakivaky vongandrano indray mitete mantsy ny tanamasoandro, dia somary mivily lalana ; ary ny loko tsirairay dia mivily amin’ny fomba hafa. Noho izany, aorianan’ny orana, ny vongandrano indray mitete an’arivony, izay mitsingevana eny amin’ny rivotra na milatsaka, dia mampisaratsaraka ny hazavan’ny masoandro ho fitambarana hazavana miloko isan-karazany : miainga amin’ny mena, eo ivelany mandrakariva, miampita amin’ny volon-daoranjy, mavo, maitso, manga, indigô (manga antitra miharo taratra volomparasy na somary mena), ary volomparasy.

Ho antsika mpino koa, ny avana, izay hita aoriana-na oram-baratra, amin’ny heviny ara-Baiboly, dia mampahatsiahy ny tsy fivadihan’Andriamanitra amin’ny olona nandritra ny fotoana rehetra. Nomen’Andriamanitra tokoa mantsy ny avana, ho famantarana fa tsy handefa intsony ny safodrano etỳ an-tany Izy, toy ny tamin’ny andron’i Noa.

Aza hadinontsika ireo fampanantenan’Andriamanitra, mandritra ireo tafiodrivotra eo amin’ny fiainantsika. Rehefa avy ny orana ary mitsoka ny rivotra, indraindray maharitra, dia mila herimpo sy finoana isika, mba hahatsiarovantsika fa hitsahatra ny tafiotra ary hamiratra indray ny avana. Ndao hitoky amin’ny tsy fivadihan’Andriamanitra. Efa nanome antoka ho Andriamanitsika Izy. Hihazona ny fampanantenana nataony Izy.

„Mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo ; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa, mba hahazakanareo izany” (1 Korintiana 10:13).