Alatsinainy 8 Jona 2026

Ary hoy Jehovah tamin’i Noa : Midira ao anatin’ny sambofiara ianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’izao olona miara-belona aminao izao. Genesisy 7:1

(Hoy Jesosy :) Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona. Matio 24:37

 

Noa

Teo amin’ny talantalana trano fivarotana iray aho dia nahatsikaritra piozila iray tsara tarehy, kilalao voarafitra singa maro hatambatambatra ho sary iray. Ny sambofiaran’i Noa no asehon’ilay sary, ahitana azy sy ireo biby mitanjozotra manatona ny varavaran’ny sambofiara. Gaga aho, ary nieritreritra hoe : „Hay ve mbola fantatra ihany i Noa, taonarivo maro atỳ aoriana ?” Avy aiza moa io fanampin’anarana hoe Noa miely hatraiza hatraiza io ? Toko efatra ao amin’ny fiandohan’ny Baiboly no manoritsoritra io trangan-javatra manaitra momba ny Safodrano io. Loza mampivarahontsana io, fitsarana nihatra tamin’ny zanak’olombelona fahizany, satria „simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza” (Genesisy 6:11). Elabe talohan’ny hampiharan’Andriamanitra ny fitsarana no nampamboarany io sambo manambara mialoha ny Safodrano io. Noa irery no nino ny nolazain’Andriamanitra, ary niditra tao niaraka tamin’ny ankohonany : izy ireo no sisa velona rehefa nilatsaka ny ranonorana…

Ao amin’ny Filazantsara, ny Tompo Jesosy dia mampiseho hoe vanimpotoana tena nisy ny „andron’i Noa”, fa tsy angano : „Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safodrano, ka nihinana sy nisotro ny olona, ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-piavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, ary tsy fantany mandra-piavin’ny Safodrano izay nandringana ny olona rehetra…”, ary nampiany hoe : „… dia ho tahaka izany ny fiavian’ny Zanak’olona” (Matio 24:38-39). Io tantara efa lasa io dia ampitahainy amin’ny fiaviany tsy ho ela ary ho tampoka, fiaviana harahina fitsarana. Aorianan’izany Izy dia hametraka ny fanjakany etỳ an-tany.

Fialofan’ny aina, nitsingevana teny ambony rano, io sambo lehibe io no hany fomba nahavoavonjy. Ankehitriny, ny mino an’i Jesosy, maty noho ireo fahadisoantsika ary nitsangana velona indray, dia toy ny hoe „miditra ao anatin’ny sambofiara”. „Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36).