Alahady 7 Jona 2026

Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko ? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao ? Manantenà an’Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho ; Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. Salamo 42:11

 

Ny Salamo : boky mbola araka ny toetrandro hatrany, ankehitriny

Tamin’ny fotoana rehetra, ny mpino dia nahita fifaliana sy fampiononana rehefa mamaky ny bokin’ny Salamo. Tsy fantatsika mandrakariva ny toejavatra niseho nanoratana azy ireo, ary indraindray dia tsy fantatsika akory na ny anaran’ny mpanoratra azy ireo aza. Ambonin’izany, tsy mora lalandava ny manavaka ny hevitra ara-paminanian’ny salamo, raha mahakasika toejavatra mbola ho avy izy io, na efa lasa.

Nefa nahoana moa ireo tononkalo ireo, mandraka ankehitriny, no misy akony toy izany ao am-pon’ny mpino ? Ireo tononkalo ireo dia mampahatakatra antsika ny fifandraisan’ny mpanoratra azy amin’ny Tompony, Ilay Andriamaniny, indrindra rehefa mandalo fotoan-tsarotra izy ireo. Rehefa mihaino ny zava-niainan’ireo mpanoratra ireo tam-pinoana isika, dia manatanjaka ihany koa ny finoantsika. Mihavao sy mitombo ny fatokiantsika an’Andriamanitra, rehefa hitantsika ny fomba nanafahany ireo mpino fahiny ireo tamin’ny fahoriany sy ny fanahiany, ary ny nampiononany azy ireo.

Ny Salamo dia mampahita ihany koa ny fon’Andriamanitra : ny fitiavany, ny hamorampony, ny mahatonga Azy ho onena ny olombelona, izay marefo aoka izany. „Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy ; fa mandrakizay ny famindrampony” (Salamo 136:1).

Andriamanitra velona no manome ireo fampaherezana ireo antsika, Andriamanitra maniry ny hisiana fifandraisana feno fatokiana amin’ny mpino tsirairay. Ny Salamo dia mampahafantatra izany antsika, na mbola tsy nahalala an’Andriamanitra ho Ilay „Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Efesiana 1:3) aza ny mpanoratra azy ireo.